kolon-tsaina

Ankizy mozika Festival : voatily ny talenta vaovao

Nahafinaritra ! Nahaliana ! Nahavariana ! Manan-talenta ny zaza malagasy !… Ny teny tahaka izany no nifanaretsaka taorian’ny seho sy fifaninanana « Ankizy mozika Festival », notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tetsy amin’ny Kianjan’ny kanto Imahamasina. Manana lenta tsara eo amin’ny hira, indrindra fa ny fitendrena zavamaneno ny zaza malagasy. « Taranja » maro samihafa rahateo no nifandimby […]

Tratra ihany koa… : manjary misy « mpanera » ny kabary malagasy

Eo amin’ny tontolon’ny hira, misy ny olona na ny orinasa, tsy manana asa aman-draharaha ankoatra ny mikarakara hetsika (lanonana, fety, …)… Ankehitriny, manomboka miseho amina endrika « fanerana », izany, ho an’ny kabary. Efa zary mahazatra ny sofina ny maheno ny teny hoe : « manera » na « mpanera » na « mpijirika ». Ilay olona manelanelana eo […]

Fitoriana an-kira : seha-panabeazana ny Young Messenger Praise

Taona 2019, namoronan’ An­driamihaja Daniel (mpitendry, mpamorona sy mpandrindra) ny Groupe Young Messen­ger Praise. « Mirona kokoa amin’ny famolahana ny gospel izahay. Na izany aza, heno hatrany ary mivoitra any ana­tin’ireo sanganasa ny maha Malagasy eo amin’ny fiten­drena zavamaneno sy ny fomba nanajariana ireo tononkira », hoy izy. Misandrahaka amin’ny gadona samihafa […]

Ankizy Mozika Festival : homena sehatra ny kilonga

Any amin’ny taninketsa no volavolaina. Antom-pisian’ny hetsika “Ankizy Mozika Festival”, izay karakarain’ny CGM/GZ io. Hotontosaina ny alahady 3 desambra izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro, ny andiany fahatelo amin’ ity. Fanomezana sehatra ireo kilonga milofo amin’ny mozika izy ity, mba hanehoan’izy ireo ny talenta miampy izay norantoviny tsirairay […]