kolon-tsaina

Musée de la Photographie : misokatra anio ny « La Voix, le loin »

Hiavaka kely ny fampirantiana eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, manomboka anio. Ankoatra ny fampirantiana haikanto maro samihafa. Hisy ihany koa ny fampahafantarana ireo haikanto sy kolontsaina maha izy ny Malagasy. Tanterahina anio, eny amin’ny Musée de la Photographie Anjohy, ny tafatafa iarahana amin’ny mpahay kanto, Raharimanana Jean Luc, […]

Aft Andavamamba: hiditra amin’ny andiany faharoa ny « Festival des livres « Thrillers »

Tanterahina eny amin’ny Alliance française d’Antana­na­rivo (Aft Andavamamba), ma­nomboka rahampitso ha­tra­min’ny 31 oktobra 2023, ny « Festi­val des livres « Thril­lers » andiany faharoa. « Les monstres littéraires » no lohahevitra noraisina amin’izany. Hetsika lehibe hanehoana ireo haikanto maro samihafa mampatahotra. Anisan’izany ny rantin-tsary, teatra, lalao sy fi­faninanana, atrikasa ary fihaonana sy fifampizarana. Tanjo­na ny […]

“Volana iray, mpanoratra iray”: hampahafantarina i Riva sy ny sanganasany

Manana ilay talenta mihazona ny mpamaky hanjohy hatramin’ny farany izay i Riva… Misongadina amin’ny fahaizany milalao ny teny, mamoaka ny aingam-panahiny ihany koa. Riva Ando Andriamalala, fantatry ny maro amin’ny sonia Riva. Mpanoratra, poeta tsy zoviana amin’ny tontolon’ny literatiora izy. I Riva indray no nosafidiana hampahafantarina anatin’ny hetsika “Volana iray, mpanoratra iray”, […]

Atrikasa vaky boky: hitondra ny traikefany i Arikaomisa Randria

Tanterahina eny amin’ny Tranomboky monisipalin’ny boroborintany fahatelo, eny Antaninandro, ny atrikasa momba ny boky, karakarain’ny Kaominaina Antananarivo Renivohitra (CUA), amin’ny alalan’ny DACVC, ao anatin’ny hetsika « Ca­ravan’iles 2023 ». Arikaomisa Randria no hitondra ny fahaiza-manaony sy ny traikefany amin’ity anio ity. Hitondra ny haikantony sy hanome fahalalana ireo ankizy mahakasika ny haikanto […]

Fampivelarana ny teny malagasy: hisy ny fifaninanana « Soratonon’2023 »

Tsy eto an-toerana ihany fa hatrany ivelany, tsy tapaka fa mitohy ireo hetsika ho fampivelarana sy ho fano­me­zana aina ny teny malagasy. Hotontosaina ny sabotsy 18 novambra izao, ao amin’ny Institut national des langues et civilisations orien­tales (Inalco) 65 Rue des Grands Moulins, 75013, Pa­ris, ilay fifaninanana « Sora­tonon’2023 ». Hozaraina sokajy roa […]