kolon-tsaina

“Fy ifidianana”: tononkalom-pitiavana…

… Fa tsy politika ! Antsam-paribolana, toy ny fanaon’ny faribolana Sandratra isam-bolana izy ity. Hotontosaina ny sabotsy 28 oktobra ho avy izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CGM/GZ Analakely, ny “Fy ifidianana”. Hanokatra ny taom-piantsana izany ho an’ity Faribolana ity, ka ezahina hiavaka. “Fy ifidianana”, hiantsan’ireo poeta tononkalom-pitiavana amin’ny […]

«Herinandron’ny Havàtsa-Upem»: mihatanora hatrany ny mpanoratra

Anisan’ny hetsika lehibe indrindra amin’ny fampiroboroboana ny tontolon’ny soratra eto Madagasikara ny « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Misy hatrany ny fivoarana hoentin’izany. Nosokafana, omaly, te­tsy amin’ny Tranom­bokim-pirenena Anosy, ny he­tsika «Herinandron’ny Havà­tsa-Upem ». Maro ireo mpandray anjara. Nisonga­dina in­drindra amin’izany ny tanora. Saika ny sanganasan’izy ireo no tazana amin’ny fampirantiana. Tazana efa miditra an-tsehatra […]

« Sokela, La parole du Sud » : namoaka ny edisiona faha-11 ny Pr Rasamoelina Henri

Navoaka tao Fianaran­tsoa, ary efa azon’ny rehetra, indrindra ireo mpianatra sy mpampianatra eo anivon’ny Oniversite, jifaina ny boky «Sokela, La parole du Sud», notontosain’ny Pr Rasamoe­lina Henri. Edisiona faha-11 amin’ity boky ity izao natonta izao. Boky 300 pejy, ahitana lahatsoratra manodidina ny 30 isa, nosoratana Malagasy mpandalina sy mpikaroka maro […]

Handalo an-tanindrazana… : hihaona indray amin’ny mpankafy i Hanitra Ranaivo

Ho avy, ary hiaka-tsehatra eto Antananarivo i Hanitra Ranaivo. Ny fandalovany farany teo mantsy, tsy nahatontosa fampisehoana azy manokana izy. Hafaliana ho an’ny mpankafy ! Fantatra fa handalo indray eto an-tanindrazana i Hanitra Ra­naivo, ary ny seho hontonsainy ny alin’ny zoma izao, etsy amin’ny Piment Café Beho­ririka. Vaovao mahafaly ma­naraka […]