Velona ny haisoratra, rehefa misy mamelona: ny mpanoratra. Mivoaka ny amboaran-tononkalo “Angolam-pitia” nosoratan’i Riadiana. Ela ny ela, nivoaka ny amboaran-tononkalo nosoratan-dRampanana Raymond na i Riadiana. Efa aty amin’ny faha-55 taona nanoratana izany. Tamin’ny taona 1968 izy no nanomboka nanoratra. Boky voalohany io: misy tononkalo 93, takila 120. Izany aza, mbola […]
kolon-tsaina
“Volana iray, mpanoratra iray”: fantaro i Natioramena Narda
Natioramena Narda no anarany. Natiora kosa no solon’ anarana entiny eo amin’ny asa soratra sy asa sary. Mpanoratra, poeta ary milomano ao anatin’ny teny satria mpampianatra ny taranja Malagasy, Anglisy ary Frantsay izy. Namolavola an’i Natiora ho tonga mpanoratra ny fahazazana teny ambanivohitra, henika tsianjery sy famoronana kilalao ary asa […]
Fampianarana mozika : nifampizara ny Anac sy ny sekoly avy any Italia
Tontosa, omaly, teny amin’ ny Academie nationale des arts et de la culture (Anac), Anosy, ny fampiofanana momba ny mozika, notarihin’i Francesca Sivori, avy amin’ny Ecole de musique Allegromoderato, avy any Italia. Fizarana fahaiza-manao amin’ny fitendrena karazana zavamaneno maro samihafa no natao tamin’ izany. Maro ny Malagasy, araka ny nambaran’ny […]
Rehefa hita ny fototra… : mila miaina amin’ny kolontsainy ny Malagasy
Tsy handeha hitsangatsangana ireo vahiny tonga teto Madagasikara. Nitondra sy nametraka ny momba azy, izy ireo. Tao anatin’ny fotoana fohy nahazo faka ireny. Laharam-pahamehana ho an’ny vahiny tonga teto Madagasikara ny famotehana ny kolontsaina sy ny fomba amam-panao malagasy. Mbola manao randra-mitarika izany taty aoriana satria namela dimby sy fara […]
Handeha voalohany ny sabotsy izao… : maneho ny fototry ny fihavanana Malagasy ny “Nampoina”
Herintaona sy tapany no namolavolana azy… Betsaka ireo miandry mafy ny hivoahan’ilay sarimihetsika “Nampoina, ny riaka no valampariako”, nosoratan’ny Profesora Ranjeva Raymond ary notontosain-dRandrianierenana Henri. Handeha voalohany eto Madagasikara ity sarimihetsika ity, ny 15 jolay izao, ao amin’ny Canal Olympia Andohatapenaka. Mahay ampahany amin’ny tantaran’Andrianampoinimerina avokoa ny ankamaroan’ny Malagasy. “Ampahany” […]




