Fihetsika mahavariana, mety mampitaintaina mihitsy aza. Tao koa ny fihomehezana ! Natambatry ny ankizy sy ny tanora eo anivon’ny Graines de bitume avokoa ireo fihetseham-po ireo, nandritra ny fampisehoana «cirque» notontosainy tetsy amin’ny Alliance Française Antananarivo, ny faran’ny herinandro teo. Na milingilingy aza, kinga. Na mifampiankina aza, matanjaka. Na mifanipy […]
kolon-tsaina
“Kpop World Festival”: mahazo laka ny kolontsaina koreanina
Tontosa ny sabotsy 15 jolay 2023, teny amin’ny Institut française de Madagascar (IFM) Analakely, ny famaranana ny «Kpop World Festival” teto Madagasikara. Fifaninanana mandihy, maneho ny kolontsaina koreanina no natao tamin’izany, izay nokarakarain’ny masoivohon’i Korea Atsimo eto Madagasikara. Maro ny vondrona malagasy mpandihy, nandray anjara tamin’ izany. Nahazo ny laharana […]
“Nampoina: ny riaka no valampariako”; Mendrika sy ho an’ny rehetra ny horonantsary
Haikanto manana anjara lehibe amin’ny fanabeazana sy fitaizana ny horonantsary. Mahavita izany tokoa ity horonantsarin’ny fikambanana Valamparihy ity, maneho sy mampahafantatra ny tantaran’Andrianampoinimerina. Notontosaina teny amin’ ny Canal Olympia Andohatapenaka, ny 15 jolay 2023, ny lanonana fampahafantarana voalohany ny horonantsary «Nampoina: ny riaka no valampariako». Olo-manan-kaja maro samihafa no tonga […]
Mandalo an-tanindrazana…: homarihin’i Nanie ny 30 taona an-kira
Roa herinandro lasa izay, fantatra fa hanao «cabaret» irery i Mahery Majika. Tampoka tsy nampoizin’ny rehetra kosa, lasa fiarahana an-tsehatr’izy sy i Nanie izany. Mandalo an-tanindrazana mantsy i Nanie amin’izao fotoana izao, ka manararaotra ny fotoana ela dia ela tsy naha teo azy, hihaonany indray amin’ireo namany mpiara-milomano anaty mozika, […]
Hira : vitsy mpandimby ny feo malagasy
Mahasarika tanora, maharevo ny ankizy. Vitsy dia vitsy anefa ireo mahatazona ilay feo mampiavaka ny Malagasy tahaka ny angola. Saika hala-tahaka ny feon’ireo mpihira vahiny no heno. Ilay hira rahateo, manana firafitra hira vahiny. Vitsy amin’ireo tanora no mamorona na mihira batrelaka, bagasy, salegy, sns, kanefa ireny no tena mahatahiry […]




