kolon-tsaina

« Beatbox Battle Madagascar »: tompondaka fanindroany i Kelly West

Fredo Rakotondrina, fantatry ny maro amin’ny anarana entiny miantsehatra hoe Kelly west, no nahazo ny laharana voalohany tamin’ny fifaninanana “Beatbox Battle Ma­dagascar 2024” teo amin’ny sokajy Solo. Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Cercle Germano Malagay (CGM) Analakely, ny dingana famaranana tamin’izany. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, efa tena ambony […]

“Makua Festival Music” : nomem-boninahitra ireo nitondra avo ny zavakanto

Fahombiazana tamin’ny lafiny rehetra. Ankoatra ny fampisehoana izay tena nalaza, nanome voninahitra ireo mpanakanto sy ireo olon’ny zavakanto, nanandratra ny mozika avy ao Toamasina ihany koa ny “Makua Festival Music”. Fankasitrahana hatraiza hatraiza. Mendrika izany i Shyn sy Denise sy ireo niara-nisalahy tamin’izy ireo tamin’ny fanatontosana ny andiany voalohany tamin’ny […]

TARATRY ny KANTO

Fotoana nanomezana sehatra ireo mpanan-talenta rehetra amin’ny fahaizana mamorona lahatsoratra sy tononkalo ary ny fahaizana miantsa izany amin’ny endrika slam tetsy amin’ny Institut français Madagascar (IFM) Analakely, ny sabotsy lasa teo. Tonga nanatrika sy nandray anjara tamin’izany ireo tanora maro. Nanentana sy nikarakara ny hetsika ny avy amin’ny fikambanana Madagaslam. […]

sanganasan’i Mozart : nofohazin’ny Madagascar Orchestra

Wolfgang Amadeus Mozart, iray amin’ireo andrarezina amin’ny famoronana eo amin’ny tontolon’ny mozika klasika. Tao anatin’iny herinandro nivalona iny no nanatanterahin’ny Madagascar Orc­hes­tra seho «Nuit en­chantée avec Mozart» ho famohazana indray ny sanganasany, tao amin’ny Le Grand café de la Gare (Salle de l’Horloge). Tao anatin’ny fizarana voalohany no niangalian-dry zareo […]

Fiderana Goavambe : nitondra hery vao ny TDL

Amin’ny ankapobeny, niompana tamin’ny fampahatsiahivana indray fa tsy irery ny olona tsirairay fa manana an’Andriamanitra ny seho « Fiderana Goavambe », notontosain’ny TDL, omaly, tetsy Antsahamanitra. Nitondra herim-panahy vaovao sy fankaherezana ho an’ny mpijery tonga teny an-toerana izy ireo. Saika nohirain-dry zareo rahateo ireo sanganasany mirakitra izany. Nanotrona ny True Direction Life […]