Seho tsy nampoizin’ny maro ny an’i Lalatiana, omaly. Nandalo kely an-tanindrazana, ary tsy nieritreritra ny hiaka-tsehatra izy. Noho ny fangatahana manokana anefa, nisy ny fiarahana tampoka tetsy amin’ny Piment Café, halina. Na alatsinainy aza, tsy nanakana ireo tena mpankafy tonga nameno ny efitrano izany. Fotoana mamy, nanararaotana ireo hira tsy […]
kolon-tsaina
«Ilay dihy…Lady »: Seho hiverenan’i Jiary an-tsehatra
Misy mahatsiaro ny « Damoiz’elle » ? Hiran’ny tarika Moajia anisan’ny be mpankafy. Mpamoron-kira, mpitendry ary nitarika ny Moajia i Jiary na i Jia tamin’izany fotoana. Efa aman-taonany izay no nijanona ny tarika, ary samy nanana ny lalany teny ireo mpikambana. Nangingina teny koa Ratefinanahary Johary na i Jiary, tao anatin’izay fotoana izay. […]
FJKM Amparibe Famonjena : 25 taona ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF)
Fanatanjahantena, kolontsaina, fanabeazana ho olom-banona, sns. Samy ahafantarana sy mampisongadina ny RFF Amparibe Famonjena avokoa ireo. Tsy holalovam-potsiny ny faha-25 taonany. Sampana iray mikarakara ny tanora amin’ny fialamboly sy fanatanjahantena, ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, ny Rantsana fialamboly sy fanatanjahantena (RFF). Feno 25 taona ny nitsanganany, izay nambaran-dRasolonjato Verohanitra, fa […]
15 taona an-tsehatra: Feno fihetseham-po ny sehon’i Farakely
Dingana iray tsy nandalo fotsiny fa nipetraka ho tantara ny seho nanamarihin’i Farakely sy ny tariny ny faha-15 taona. «Rotsirotsy». Feon-kira nambabo ny iray efitrano no nanombohany ny sehon’i Farakely, nanome ny endriky ny tohiny… Tsara petraka, voaomana, nirindra, manaporofo ny traikefa nivangongo nandritra ny 15 taona niakaran’i Farakely an-tsehatra […]
TARATRY ny KANTO
Revy Mahaleo, nampiditra ny fankalazana ny faha-55 taona. Mazava loatra, feno ny efitranon’ny CCI Ivato, omaly. Mpijery amin’ny sokajin-taona rehetra, nahitana ireo raiamandreny mitovy amin-dry Dama sy Bekoto, ireo zokinjokiny, ireo mitovy taona amin’ny Mahaleo Taranaka ary ireo mbola zandry fa mpankafy ireo tonga nianoka ireo hira tsy tontan’ny ela. […]




