Faheno matetika ny hoe : « zaza tsy mahalala fomba » ! Tsy ny zaza ihany anefa no mety ho tratran’io fa na ny olon-dehibe ihany koa. Ilay milaza na miteny fa « tsy mahalala fomba », mihevi-tena ho mahafantatra ? Tsy misy maharatsy ny hoe mahalala fomba, raha tena izay tokoa ny marina. Saingy, mampisalasala ihany. […]
kolon-tsaina
« Madagascourt Film Festival, andiany faha-18 » : Malagasy 8 mpanatontosa no mandray anjara
Tanterahina eto Antananarivo sy any Mahajanga, ny 24 novambra 2023 hatramin’ny 2 desambra 2023, ny «Madagascourt Film Festival» (MFF), andiany faha-18, hetsika lehibe eo amin’ny sarimihetsika, indrindra ny sarimihetsika malagasy. Malagasy mpanatontosa miisa 8 no hita hifaninana ao anatin’ny 39 mpandray anjara, ary ahitana azy ireo avokoa ny sokajim-pifaninanana rehetra, ankoatra ny […]
Soratra : sady mpanoratra no mpamoaka boky
Manoratra ny mpanoratra. Mamoaka boky ny mpamoaka boky. Lamina ankapobeny mialohan’ny hahatongavan’ny boky eny am-pelatanan’ny mpamaky. Toerana ifaneraseran’ny mpanoratra sy ny mpamoaka boky ankehitriny ny Tranombokim-pirenena etsy Anosy, noho ny hetsika « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Amin’ny lafiny iray, misongadina be ny ezaka ataon’ny mpanoratra amin’ny fampahafantarana ny sanganasany. Tonga hatrany amin’ny famoahana […]
Miantso fiaraha-miasa ny taranany…: hisy fampirantiana homanina mahakasika an-dRakoto Frah
Mitoetra mandrakizay ny lazany. Saingy tiana hampahafantarina bebe kokoa Rakoto Frah, ka izay no himasoan’ireo mandrafitra ny tarika Rakoto Frah Junior amin’izao fotoana izao. “Ho antsika izay manana ny sarin-dRakoto Frah, mba miangavy fiaraha-miasa aminareo izahay”. Hafatra mipetraka ao amin’ny pejy Facebook, an’ny tarika Rakoto Frah Junior io. Miantso fiaraha-miasa […]
Fanentanana vaky boky: nitohy teny Antsararay ny « Caravaniles »
Tontosa, omaly, ny hetsika atrikasa Angano sy fanentanana hamaky boky, ho an’ny teny amin’ny Boriborintany fahenina, notarihin-dRazanadriaka Lalao Elina.. Teny amin’ ny trano famakiam-boky Antsararay no nanaovana izany, hetsika izay tafiditra ao anatin’ny “Festival Caravaniles 2023”. Mpianatra maro samihafa, avy amina sekoly isan-tsokajiny no niatrika izany. Anjaran’ny ankizy sy ny […]




