Tontosa ny asabotsy 17 desambra teo, tao amin’ny Grand amphithéâtre Degs, Oniversiten’Antananarivo ny famoahana mpikabary 16 mianadahy, notanterahin’ny Club Vintsy Famelona, ao amin’ny departemanta jeografia, fakiolten’ny teny aman-tsoratra, eo anivon’ity oniversite ity. Rehefa nianatra nandritra ny 7 volana, voafehin’izy ireo ny fototry ny kabary, ny kabary an-kasoavana sy an- karatsiana. […]
kolon-tsaina
Faran’ny taona : manohana mpanakanto ny Airtel
Nandritra ny taona maro, tsy mitsahatra manohana ny mpanakanto ho fampiroboroboana ny kolontsaina sy fanohanana ireo mpanan-talenta miangaly azy ho an’ny vahoaka sy ireo mampiasa ny tambajotrany ny Airtel Madagascar. Fetin’ny faran’ny taona «Prestigiuous time» hifampizarana amin’ireo mpanakanto avo lenta avy eto an-toerana na avy any ivelany. «Fanohizana ny efa […]
Fampisehoana ho an’ny Ankizy: hetsika tsy mbola nisy teto Madagasikara
Tontosa, omaly, alahady 18 novambra 2022, tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy ny Kolontsaina Mahamasina ny « Cirque Momota ». Fampisehoana niarahana tamin’ny Momota sy ny tariny ary ny « Aleas des possibles ». Tsy ampy ny fampisehoana ho an’ny ankizy eto Madagasikara. Vitsy ny mpikarakara lanonana mikarakara hetsika ho fanomezana fahafaham-po ny kilonga malagasy. […]
Hainahandro : hifaninana amin’ny «ICC» ny ekipa malagasy
Telo ny fifaninanana iraisam-pirenena goavana momba ny hainahandro, ka iray amin’ireny ny «International Catering Cup» na ny ICC. Hanana ekipa hifaninanana amin’ny andiany faha-8 i Madagasikara. Rahajamalala Fenosoa no hitarika, Rakotovao Bodo no miray lisitra aminy. “Coach” i Chef Lalaina Ravelomanana. “Mpiara-miasa efa ela amiko ato amin’ ny Marais Restaurant […]
Fampisehoana ho an’ny ankizy: hiavaka ny «Cirque Momota»
Hisy ny “Cirque Momota”, hetsika ho an’ny ankizy, iarahana amin’i Momota sy ny tariny sy ny «Aléa des possibles». Ny alahady 18 desambra 2022, amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny Lapan’ ny kolotsaina sy fanatanjahantena Mahamasina. “Tanjona ny hanomezana fahafaham-po ny ankizy malagasy . Eo koa ny fanaovana seho […]





