kolon-tsaina

Concert de midi: hisantatra ny seho Krismasy ny Hiraitra

Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny kaonseritra klasika karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Ha­natanteraka seho lehibe, etsy amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely ny « Ensemble vocal Hirai­tra ». Fampisehoana hotontosaina ny 20 desambra izao, manomboka 1 ora tolakandro, hitondran’izy ireo eny an-tsehatra ny « International Carol suites » narindran’i Mark Hayes. Antsa hanehoan’ny Hiraitra iny fiderana […]

Kilalao Malagasy: tombony ho an’ny Malagasy ny fananana ny fanorona

Nampiasain’ny mpanjaka sy ny olon-kendry, hitantanana ny tany sy ny fanjakana tamin’izany ny paikadin’ny fanorona. Manomboka takona anefa itony karazana kilalao malagasy itony ary efa vitsy ny mahalala sy milalao azy ankehitriny. Harena ho an’ny Mala­gasy ny fananana karazana lalao noforonin’ny razambe. Tanterahina ny asabotsy 10 desambra 2022 eny amin’ny […]

Andriamamonjisoa Ny Antso : “Mila finiavana be ny fianarana teny malagasy”

Mbola vao 16 taona monja Andriamamonjisoa Ny Antso dia efa nankafy ny teny malagasy tamin’ny fandalinana kabary. Anisan’ny nahazo fan­kasitrahana tamin’ny fifaninanana nokarakarain’ny Fi­kam­banan’ny Mpikaba­rin’ An­­tehiroka sy ny “Associa­tion Andraina” izy, ny taona 2019. Roa monja ny mpandray anjara tamin’ny sokajy ankizy tamin’izany. Tsy nijanona teo amin’ny am-bava fotsiny ny […]