« O ry zandry kely! ». Hira nalaza tany amin’ny taona 90 tany, izay mbola ahafantarana an-dRakoto hatramin’izao, izany. Monina any ivelany, kanefa tsy manadino ireo mpankafy eto an-tanindrazana izy, isaky ny afaka mandalo. Fantatra fa hiaka-tsehatra etsy amin’ny No Comment Bar Isoraka izy, ny alahady 27 oktobra ho avy izao, manomboka […]
kolon-tsaina
Herinandron’ny Havàtsa –Upem 2024: hisy ny famoahana boky maro mandritra ny hetsika
Mbola velona ary mametraka hatrany ny maha izy azy ny fikambanan’ireo Malagasy poeta sy mpanoratra. Mitohy hatrany ihany koa ny famelomana ny asa soratra sy fanohanana ireo mpanatalenta, anisan’izany izao famoahana boky izao. Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 26 oktobra 2024, eny amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy, ny « Herinandron’ny Havàtsa –Upem 2024 ». Handravaka […]
TARATRY ny KANTO
Hosokafana ny 22 oktobra izao ny « Herinandron’ny Havàtsa-Upem ». Nomena lohahevitra tsirairay ny andro mandritra io hetsika fanao isan-taona io. Talata Manomboka, Alarobia Miverina, alakamisy Manavàtsa, zoma Misampana, ary sabotsy manan-tantara. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana koa ny fampirantiana, fanehoana ireo boky vaovao, serasera mivantana amin’ireo mpanoratra ankehitriny. Manitatra ny […]
« Eto ry Lala » : Seho hanasongadina ny hiran’i Therack
Fampisehoana tsy fahita firy! «Comédie musicale» izy io. «Ny hiran’i Therack no tena hibahana ao anatin’ny fandaharam-potoana. Nahoana moa no natao comédie musicale ? Satria ny hirany mihitsy no mirafitra ho théâtre. Nanoratra pièces théâtrales rahateo izy», hoy Ratsifa. «Eto ry Lala», seho hotanterahina ao amin’ny Havoria auditorium Anosy, ny […]
Tantara sy kolontsaina : 60 taona ny Cité akany Sambatra Itaosy
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy teo ny lanonam-pankalazana ny faha-60 taona nisian’ny cité akany Sambatra Itaosy. Fotoam-pivavahana sy fandraisam-pitenenana ary fitokanana tsangam-bato no nanamarihana izany. Nitohy tamin’ny hetsika maro samihafa, toy ny karazam-pampirantiana momba ny tantaran’ny toerana. Nisy ny fanentanana sy hetsika ara-kolontsaina sy fampisehoana avy eo. Nanafana ny […]