Dingana lehibe no afaka ho an-dry Rajao Mianakavy! Nobatain’izy ireo irery ny CCEsca Antanimena, iray amin’ireo efitrano fanaovana fampisehoana, mari-drefy ho an’ny laza. Vao nanomboka ilay “Afindrafindrao” nasian-dRajao tonony dia efa nanome ny lokon’ny fampisehoana sahady: nifototra tamin’ny sarimihetsika “Malok’ila” nahafantarana azy ireo, niampy ireo sasantsany toy ny “Play Boys”, […]
kolon-tsaina
Fetin’ny mpifankatia : Nanokatra ny taom-pampisehoana 2026
Nitontona faran’ny herinandro, ary tanatin’ny andro tsara. Saika nahitam-pahombiazana avokoa, araka izany, ireo fety aman-danonana izay tafiditra tao anatin’ny fankalazana ny fetin’ny mpifankatia, tamin’ity. Ny zoma 13 febroary dia efa nanomboka izany, notohizana ny 14 febroary, tena andron’ny fankalazana ary nofaranana omaly alahady. Nanokatra ny taom-pampisehoana 2026 ihany koa izany, […]
Faran’ny herinandro : Nihanatevina ny « Fetin’ny mpifankatia »
Tsy nijanona tamina fety notanterahina tany amin’ny toeram-pialamboly na efitrano malalaka fotsiny intsony. Nanjary nahitana lanonan’ny mpifankatia ireo trano fandraisam-bahiny anisan’ny lehibe ho an’ny teto an-dRenivohitra. Ankoatra ny fitomboan’ny isan’ny toerana nikarakara lanonana. Nihanatevina ihany koa ny «Fetin’ny mpifankatia » raha jerena amin’ny endriky ny fety, ny faran’ny herinandro teo. Nanjary […]
Fetin’ny mpifankatia MJ Events: Etsy Ampandrana ny « L’Arcane de l’amour »
Anisan’ny mikarakara hetsika amin’izao fetin’ny mpifankatia, 14 febroary, izao ny eo anivon’ny MJ Events. Lohatenin’izany ny «L’Arcane de l’amour». Hanomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Lounge Bar Arcana Ampandrana, izany. Hisongadina ho an’ny tapakandro maraina ny hetsika «Koty koty party». Hanaovana karazana kilalao samihafa izy io. Eo koa ny […]
“Che Bel Canto!” 2.0 : Mbola hiray sehatra amin’i Tovo J’Hay i Malala sy Nanie
Angamba ity no andiam-pampisehoana nalaza indrindra. Rehefa niato kely, hiverina indray ny “Che Bel Canto!” ary i Tovo J’Hay sy ny namany ihany no hisantatra izany. 2003 ny “Che Bel Canto!” voalohany… Hetsika nitondra aina vao teo amin’ny tontolon’ny fampisehoana. Nanasongadina ny sanganasana mpanakanto iray, novelomin’ireo namany an-tsehatra. I Tovo […]




