Raha vao misy tranga tsy fahita matetika, mahay zavatra ny Malagasy. Lafiny maro no ironan’ny saina amin’izay fotoana izay. Indraindray tsy tafatombina eo amin’ny tokony ho izy fa mijanona ho petra-kevitra fotsiny ihany. Iraisan’ny firenena ambara ho tatsinanana ilay atao hoe “mahay zavatra”. Amin’ ny ankapobeny, lova niainga tamin’ireo fahalalan-javatr’ireo […]
kolon-tsaina
TARATRY ny KANTO
Homarihina ny faha-80 taonan’i Nalisoa Ravalitera. Ny alarobia 14 janoary izao, hisy ny velakevitra manokana hotontosain’ny Faribolana Sandratra, izay izy no anisan’ny nanangana izany. «Nalisoa Ravalitera: Tendrombohitra tsy ho saron-javona» ny lohahevitra hovelabelarin’i Mahefa voalohany. «Nalisoa Ravalitera sy Benaina: loharano roa samihafa mihaona» kosa no hoentin’i Mahefa AI, mpianatra mpikaroka […]
« Jazz fiderana »: Hanokafan’ny Jazz Club CGM/GZ ny hetsika 2026
Hanokatra amin’ny fomba ofisialy ireo hetsika hotontosainy mandritra ity taona 2026 ity ny Jazz Club CGM/GZ. Hisy, noho izany, ilay fampisehoana lehibe «Jazz fiderana» hotanterahina eny amin’ny fiangonana FJKM Mahazoarivo, ny alahady 15 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Lohahevi-dehibe hanankinana ny « Jazz fiderana » ny « Aoka izay rehetra manam-pofonaina […]
« Tena kanto 2 »: Lehilahy avokoa no hampiara-peo amin’i Poopy
Hiavaka noho ny tamin’ny taon-dasa ny andiany faharoa. Tovolahy daholo no nasain’i Poopy hanampy azy eny an-tsehatra amin’ity. D-Lain, Tanjona Randrianarivelo ary i Ken. Ireo izy telo mirahalahy nosafidian’i Poopy, hampiara-peo an-tsehatra aminy, mandritra ny «Tena Kanto 2 ». Fampisehoana hotontosaina ny 1 marsa ho avy izao izy ity, ao amin’ny Lapan’ […]
Rakikira vaovao : Nafana ny famoahana ny « Za » Nate Tex
Na, ho an’i Nate Tex, na ho an’ny mpijery sy mpankafy ny sanganasany. Andro lehibe ho azy ireo ny andro omaly, nivoahan’ny rakikira « Za » Nate Tex. Tao anatin’ny hafanana tanteraka ny seho. «Tena zava-dehibe loatra amiko ity. Mitantara fiainana be ilay rakikira…», hoy i Nate Tex nandritra ny fampahafantarana ny […]




