Taratra

Toamasina : Tsy afa-po tamin’ny didim-pitsarana ny niharam-boina

Taorian’ny nahatrarana ilay jiolahy nandroba Cash point, ny 24 jona lasa teo, nivoaka ny didy manameloko azy. Tsy afapo tamin’izany ny niharam-boina Ny 6 aogositra teo, nivoaka tetsy amin’ny Lapan’ny fitsa­rana am­ba­ratonga voalohany ny didim-pitsarana ilay raharaha momba ilay jiolahy tratra ambodiomby ka saika matin’ny fitsaram-bahoaka, ny 24 jona lasa teo, raha nikasa […]

INDRAY MIJERY

Nisy fandidiana fanarenana faobe ireo vehivavy tratry ny aretina mamany lava eo anivon’ny CHRR Amboanato ao amin’ny faritra Anôsy. Natao hameranana indray ny hasin’ny maha olona sy hamerenana ireo vehivavy niharan’ny fanilikilihana teny anivon’ny fiarahamonina izany. Miara-manatanteraka izany ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny sehatra ara-pahasalamana maro. Nihaona tao […]

fonjan’i Toamasina : Niofana ny fikambanan’ny vehivavy

Manohy ny fiaraha-miasa akaiky amin’ireo minisitera sy andrim-panjakana isan-karazany ny minisiteran’ny Fam­pianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ho fanamafisana ny firaisan-kina sy ny fanatsarana ny soa iombonana. Anisan’ny taratry ny fiaraha-miasa mahomby ny tetikasa niarahana tamin’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny alalan’ny fitaleavam-paritra misahana ny Fonja ao Toa­masina izay nahafahana nanatanteraka fiofanana […]

Toetr’andro : Mahatratra 4°C ny ha­tsiaka eto afovoan-tany

Ny tsiokan’ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro amin’ny ankapobeny, mandritra ity herinandro ity. Hahazo vahana kokoa izany amin’ny fisasahan’ny herinandro. Hanorana malefaka miatoato any Sava, Ambatosoa, Analanjirofo ary Atsinanana. Hiitatra any Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana izany ny alarobia sy ny alakamisy. Handrahona mety harahina orana tandrifin-drahona […]

Fikambanana CPA : Tanora 100 niofana momba ny « comptabilité »

Ho fanampiana ny tanora hirotsaka amin’ny sehatry ny asa aorian’ny fahazoana diplaoma, manofana maimaimpoana ireo tanora manana mari-pahaizana amin’ny « comptabilité » ny Contribution et promotion vers l’avenir (CPA). Fandaharanasa hampiroboroboana ny fampananana asa no tanjona miaraka amin’ny fanofanana enim-bolana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana CPA, Ramiaramanana Rija Francis, ny faran’ny herinandro […]