Depiote Milavonjy Philobert : “Tsy voafaritra ho olon’ny antoko ny mpiasam-panjakana”

“Ny asam-panjakana ange tsy misy hoe rehefa miova ny fanjakana na ny fitondrana dia manafatra olona avy any an-danitra, angamba, hapetraka eo amin’ny fitondrana sy ha­nompo ny fanjakana”. Io ny fanehoan-kevitry ny lehiben’ny fanoherana sady filoha lefitra fahafito eny anivon’ny Anteni­mierampirenena, ny de­piote voafidy tany Ambovom­be An­droy tamin’ny anaran’ny Irmar, Milavonjy Andriasy Philobert, manoloana ny resabe momba ny fanendrena mpiasam-panjakana ambony. Ireo mpiasam-panjakana ireo ihany no eo sy mifandimby amin’ny fanompoana izay fitondram-panjakana tonga. Tsy voafaritra hoe olon’ny vondrona politika Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina (Irmar) izy ireo. Izay nirotsa-kofidina tamin’ny anaran’ny Irmar no olon’ ny Irmar.
Tsy tokony hafangaro ny asam-panjakana sy ny asan’ ny fanaovana politika, fa manimba firenena. Na ireo minisitra aza, nisy ny efa nanana anjara andraikitra tamin’ny fitondrana teo aloha. Tsy tamin’ny fitondrana teo aloha ihany, fa tamin’ny fitondrana nifandimby. Na ny polisy na ny zandary na ny miaramila manao ny fitandroana ny filaminana ireo, niasa koa ireo tamin’ny fitondrana teo aloha: holazaina ve hoe olon’ny Irmar na olon-dRajoelina Andry ireo raha manatanteraka ny asany amin’izao fotoana izao? Aoka hahitsy mazava tsara fa tsy manana tompony ny mpiasam-panjakana. Izay rehetra tonga eo amin’ny fitondrana dia tompoin’izy ireo. Tsy hoe rehefa tsy mety amin-dry zareo dia ratsy ilay olona. Tsy mety izay, fa miteraka korontana anaty na fanavakavahana.

R. Nd.

Partager sur: