Taratra

Oniversiten’Antananarivo – «Salon de l’étudiant» : Hanokatra lalana ho an’ny tanora

Hotanterahina ny 11 sy 12 septambra izao, eny amin’ny Esplanade Ankatso, Oni­ver­siten’Antananarivo, ny « Salon de l’étudiant ». Fotoana hisokafan’ny oniversite amin’ireo mpianatra vao afa-panadinana na ireo mbola mitady lalam-piofanana tiana harahina. Amin’izany no hampahafantarana ireo karazana lalam-piofanana misy eny an-toerana, ao anatin’ireo fakiolte marobe. Torohevitra momba ny fisafidianana ny fianarana, tolotra […]

Tetikasa « Za Mahasaky » : Fantatra ireo tanora 12 sangany

Tanora 12 mianadahy, avy amin’ny faritra 6, manerana ny Nosy nahavita fandresen-dahatra amina lohahevitra mazava nosafidiany no voafantina tamin’ilay tetikasa «Za Mahasaky». Tsiahivina fa fandefasana horonantsary fohy na tononkalo na slam no nanaovana fifaninanana. Lohahevitra 5 no nanaovana safidy ka nifantoka tamin’ny fandresen-dahatra ny olom-pirenena izany. Anisan’izany ny fampahafantarana ny […]

Soanierana-Isaka Ivondro : Tsy maintsy harenina hamoahana vokatra ny lalan-dratsy

Sompitry ny distrikan’i Faradofay ny vallée an’Ambolo sy Ifaho. Amboarina ny lalana amin’ireo toerana ireo hahafahana mamoaka ny vokatra. Nanomboka tamin’ity herinandro ity ny asa fanarenana ireo lalana tena simba mampifandray ny kaominina Soanierana sy Isaka Ivondro, any amin’ny faritra Anôsy. Ireo lalana tena ahitana faharatsiana sy mampijaly amin’ny fivezivezen’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hifarana rahampitso alakamisy ny fisoratana anarana ho an’ny “Rallye vacances”. Dingana fahatelo, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny familiana fiarakodia. Fifaninanana hatao any Mahajanga, ny 13 ka hatramin’ny 15 aogositra ho avy izao. Mikarakara izany ny klioba Gojang. Tsy tafita hiatrika ny lalao manasa-dalan’ny fifaninanana Basikety, amin’ny CJSOI, ny nosy […]

« ASIEF 2025 » : Milamina tsara ny fandraisan’i Mahajanga ny fifaninanana

Miditra amin’ny famaranana ny fifanintsanana avokoa, amin’izao fotoana izao, ireo taranja hifaninanana amin’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), tanterahina ao Mahajanga. Nam­baran’ny ben’ny Tanànan’i Mahajanga, Tia Solofomanga Heriniaina, fa milamina tsara hatreto ny fandraisana ity lalao nasionaly ho an’ny mpiasam-panjakana ity. Ampy tsara, hoy izy, ny fotodrafitrasa […]