“Manao karazana fanadihadiana kely aho momba azy io.” Izay ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny mpanao gazety teny Ankatso, ny faran’ny herinandro teo, momba ny fandraisana mpiasam-panjakana ambony. Taorian’ny famoahana ireo mpianatra nahavita fianarana, andiany Soatilo nahazo “licence” sy ny andiany Fanilo mamiratra nahazo “master”, […]
Taratra
Fan(a)ovana… politika
Hisy fiovana sy fanovana amin’izay ny fomba fanaovana politika amin’izao? Na misy hanitsiana ny dia amin’izay atao ny korontana politika miverimberina… Mandra-pahoviana? Ny tsy mijery lalana na izay ametrahany ny tongony, hono, no indroa latsaka amin’ny lavaka nianjerany. Efa nisy tomponandraiki-panjakana ambony teo aloha namaky bantsilana fa ny mpanao […]
Vondrona orinasa Sodiat : « Avelao izahay mpiasa hiasa malalaka sy milamina »
Nanao fihetsiketsehana tao amin’ny tokotanin’ny orinasa, eny Talatamaty, ireo solontenan’ny mpiasa 4 000 eo anivon’ny vondrona orinasa Sodiat, ny asabotsy teo. Maromaro ireo fitakiana sy fangatahan’izy ireo amin’ny fanjakana. Velon-taraina sy manomboka miahiahy tanteraka ka nanatanteraka fihetsiketsehana, nitondra sorabaventy ary naneho ny olany sy ny fangatahany ireto mpiasa marobe ireto. « Mangataka […]
TSELATRA
Mpanao sinto-mahery tratran’ny polisy teny Marais-Masay, ny marain’ny alakamisy 20 novambra teo. Vehivavy nanao fanatanjahan-tena maraina no nararaotin’io lehilahy io nosintomina an-keriny ny finday teny aminy. Nikasa handositra ny mpanao ratsy saingy nifanenjehana ka voasambotra. Efa-dahy mpisoloky saron’ny mpitandro filaminana tao Belo/Tsiribihina, ny 21 novambra teo. Nilaza ho manana mena-bato […]
Ranohira : Tratra ireo roa lahy mpivarotra voamaso
Notanana vonjimaika any am-ponja, miandry ny fotoam-pitsarana azy, ireo roa lahy tratra nivarotra voamaso tao amin’ny kaominina Ranohira, distrikan’Ihosy, afakomaly. Naharay loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny polisim-pirenena miasa ao an-toerana fa misy roa lahy nikasa hivarotra voamason’olona mihaodihaody tao an-tanàna. Nidina ifotony nanamarina ny zava-misy sy nanao ny vela-pandrika […]





