Rano fisotro efa mahazatra ny Malagasy amin’ny ankapobeny ny kafe. Misy amin’ireo mpisehatra amin’izany no milaza fa mahita tombony manodidina ny 10 000 Ariary isan’ andro. Misy tombontsoa sy voka-dratsy anefa izy ireny. Anisan’ny zava-pisotro tsy misaraka amin’ny Malagasy sasany ny kafe. Matetika dia ny maraina na ilay avy miasa […]
Taratra
Menabe: Mahatratra 21 000 t ny vokatra tsaramaso
Faritra anisan’ny tena mamokatra voamaina toy ny tsaramaso, ny kabaro, ny voanjo, sns, ny faritra Menabe. Mahakasika ny tsaramaso, nahatratra 21 000 taonina ny vokatra tany an-toerana nandritra ny taom-pambolena 2024, raha 10 000 taonina izany tao amin’ny distrika Miandrivazo. Anisan’ny tena mamokatra tsaramaso ny tantsaha any amin’ny lemak’i Betsiriry, distrika Miandrivazo. […]
Alaotra : Ady amin’ny doro tanety sy doro ala
Nitsidika ireo kaominina telo manodidina ny Faritra arovana any Alaotra: ny any Morarano Amparihitsokatra, Mangalahala Ambandrika ary Amparihimpony Ambohidava, ny fitantanam-paritra, Dredd Alaotra-Mangoro, ny 29 jolay hatramin’ny 2 aogositra teo. Nentanina ny fokonolona manoloana ny ady atao amin’ny doro tanety sy doro ala ary ny doro zetra. Nasongadina fa manana […]
Fehin-kevitra “SIW Sadc” : Hafainganina ny fisitrahan’ny mpikambana ny tsenam-paritra
Vita ny “Herinandron’ny indostrian’ny Sadc”. Nohamafisina ny fiaraha-miasa sy ny fisitrahana ny tombontsoa indostrialy ao anatin’ny tsenam-paritra. Niara-nikarakara ny “Herinandron’ny indostrian’ny Sadc (SIW 2005)” natao ny 28 aogosistra hatramin’ny 2 aogositra teo, teny amin’ny Novotel Alarobia, ny governemanta malagasy, ny Tonia mpanatanteraka anivon’ny Sadc ary ny Filankevitry ny Sadc. Lohahevitra […]
INDRAY MIJERY
Any am-pialana sasatra ny ankizy amin’izao fotoana izao. Tsara ampahafantarina azy ireny ihany ny fomban-tany sy ny fady, ireo toerana mety ahitan-doza, mba tsy hitera-boina. Na fefena mihitsy isorohana ny mety ho fahavoazana. Ilaina hatrany ny fanaraha-maso akaiky ny ankizy. Nanamarika ny hanajana ny marquage au sol, ho fandrindrana ny […]




