Taratra

INDRAY MIJERY

Nampahery ireo mana-manjo vokatry ny fihinanana trondro nisy poizina nitranga tao amin’ny faritra Sava, distrikan’i Vohemar, ny minisitry ny Faha­salamam-bahoaka. 5 ireo namoy ny ainy raha 15 ireo nihinana ny trondro. Manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly ny 10 ary mbola avotana ny ainy. Amin’ny fotoana fahavaratra toy izao dia maro […]

Fandraharahana sy asa : Hovahan’ny minisitera ny olan’ny tanora

Notanterahina teny An­katso, ny asabotsy teo, ny fikaonandoha ho an’ny tanora sy ny tontolon’ny asa. Nika­rakara izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Asa sy ny asam-panjakana miaraka amin’ ny Oniversiten’Antana­narivo. Nambaran’ny minisitra, Soatiana Florent Bety Leonne, fa maro ireo tanora tsy afaka miditra amin’ny sehatry ny asa, na hisehatra ho amin’ny […]

Fakan-kevitra : Avela hiteny ny ankizy

« Ho an’ny ankizy tsirairay ny zony rehetra”. Io ny lohahevitra novoizina nandritra ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny ankizy, ny alakamisy teo. Nambaran’ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina, Raharinirina Sidonie, fa: “eo am-pamaranana ny fandrafetana ny politika nasionalin’ny fiarovana ny ankizy isika amin’izao fotoana. Dingana fiaingana hihainoana […]

Herisetra mpahazo ny ankizy: Miantso ny fiaraha-mientan’ ny rehetra ny Asmae

Mijanona ho lohalaharana amin’ny herisetra mpahazo ny ankizy ny tsy fisiana ara-bola eo anivon’ny tokantrano. Ahitana izany avokoa na ny any ambanivohitra na ny an-tanàn-dehibe, saingy mahery kokoa izany aty an-drenivohitra. Antony nanaovana ny atrikasa hiadina amin’ny herisetra mpahazo ny ankizy, hiantohana ny fiarovana azy ireo, no natao teny amin’ny […]

FANTINA sy FINTINA

Nampiakarin’ireo depiote ny tetibolan’ireo minisitera sasany, araka ny fanitsiana nataon’ny eo anivon’ny asam-baomiera eny Tsimbazaza. Anisan’izany ny namindrana ny tetibolan’ny fiadidiana ny Repoblika ho an’ny minisitera vitsivitsy. Nampiana koa ny tetibola ho an’ny fahasalamana sy ny ao amin’ny rano. Tsy miova kosa ny fampiakarana karama. Tafaverina eo anivon’ny Ceni Rakotonarivo Thierry. […]