Taratra

VAOVAO TAMBATRA

Vidina 2 600Ar ny kilaon’ny vary Stock, 3 560Ar kosa ny iray kilao amin’ny vary Makalioka raha 3 160Ar ny vary Semance sy ny vary gasy mavokely eny amin’ny tsenan’Anosibe. Manana safidy ny mpanjifa amin’ireo karazam-bary tiany araka ny fahefa-mividiny. Na izany, tokony hifampitsinjo ny samy Malagasy ialana amin’ny fanararaotana. Tanterahana ao amin’ny […]

Fitantanana ireo faritra arovana: Famatsiam-bola 35 tapitrisa euros azon’i Madagasikara

Mitentina hatrany amin’ny 175 Miliara Ariary na koa 35 ta­pitrisa euros ny famatsiam-bola omen’ny Vondrona eoropeanina ho an’ny fandaharanasa « Faritra Arovana Mi­rindra » (Fa­mindra). Fama­tsiam-bola natokana ho an’ny faritra arovana sy ny fiarovana ny harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina. Nanao sonia izany ny masoivoho ny vondrona eoropeanina sy kaomoro eto Madaga­sikara, […]

Tandremo ilay mirobaroba

  Toy ny isam-bolana dia efa mirotsaka any anatin’ny kaontin’ny tsirairay any ny karama an’ireo mpiasam-panjakana. Tsy tara mihitsy ry zareo tomponandraikitra manafaingana izany noho ny filana. Hafa anefa ny volana desambra, tsy tokony ho hadino. Raha volan’ny famonjena hoy ny kristianina dia volan’ny fandaniana ihany koa. Volam-pety no dikany […]

Base Toliara : mandritra ny 14 volana ny fandraisana mpiasa

Mampahafantatra ny mponina ny fisokafan’ny Base Toliara indray ny tomponandraiki-panjakana. Hitondra fampandrosoana maro eny ifotony ity tetikasa ity. Midina ifotony ny tomponandraiki-panjakana milaza mivantana amin’ny mponina fa miverina misokatra ny orinasa Base To­liara, araka ny filankevitry ny minisitra, nivoaka ny 29 no­vambra 2024 teo. Voakasiky ny tetikasa ny kaominina mi­isa […]

TSELATRA

Nandalo mpitsabo avokoa ireo olona 85 niharan’ny fahapoizinana ara-tsakafo tao amin’ny fokontany Ambohimiarina, kaominina Andilanatoby, distrikan’ Amba­ton­drazaka, omaly. Henan’omby narary namidy teny an-tsena no voalaza ho niteraka ny loza. Voatery nentina namonjy ny CSBI tao Ambodinonoka avokoa ireo lasibatra. Telo mianadahy mpangalatra moto tra-tehaky ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny DRSP […]