Taratra

« Tsy tontan’ny ela »: Mirakitra tantara ho an’i Samoëla ao Antsahamanitra

Mitohy ny fankalazana ny 30 taona an-tsehatra. Rariny loatra raha handalo indray ao Antsahamanitra i Samoëla, hanohy ny tantara. «Tsy tontan’ny ela ». Mahalaza be izay lohateny nosafi­diana izay. Ho an’ilay fampisehoana hotontosain’i Sa­moëla etsy Antsahamanitra, ny alahady 30 aogositra izao io, manomboka amin’ny 3 ora. « Impito ny tao Antsahama­nitra. Fanimbalony […]

INDRAY MIJERY

Nihena 2,24% ny taham-pahafahana nasionaly tamin’ ny fanadinana bakalorea, izay 48,49% raha ampitahaina tamin’ny voka-panadinana tamin’ny taona 2025 izay naha­tratra 50,73 %. Anisan’ny anton’izany fidinana izany ny fanaraha-maso hentitra hampiakarana ny kalitao sy ny lanjan’ny diplaoma mivoaka, raha ny fanazavana. Manoloana ny fihanaky ny aretina Ebola any amin’ ny firenena […]

Zaikaben’ny tanora ho an’ny fahitsiana : Hatao eto Antananarivo, ny 1 sy 2 oktobra

Hanatanteraka “Forum national pour la promotion de l’intégrité” ny Kaomity mitandro ny Fahitsiana (CSI), ny 1 sy 2 oktobra ho avy izao, eny amin’ny oniversi­ten’Antanana­rivo. Tohanan’ny Organisation internationale de la Fran­cophonie (OIF) sy ny Con­fédération Suisse ny hetsika. Misokatra ho an’ny tanora malagasy rehetra 18 taona ka hatramin’ny 35 taona […]

ENS-SEAS -Toamasina : Namoaka mpianatra hisehatra amin’ ny fanabeazana sy fampianarana

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny Port Academy Center Toamasina, ny lanonana famoahana ofisialy sy fanolorana mari-pahaizana ho an’ireo mpianatra miisa 484, manana Licence sy Master, ho an’ny taom-pianarana 2025-2026. Nanaraka fiofanana tao amin’ny École normale supérieure – Sciences de l’éducation et administration scolaire (ENS-SEAS), oniversiten’i Toamasina, izy ireo. […]

25 taonan’ny Antsirabe Rugby Club: Lasan’ny Besarety RC ny amboara

Notanterahina ny alahady lasa teo, tao amin’ny Kianja Lycée André Resampa Antsi­rabe, ny lalao famaranana nankalazana ny faha-25 taona nijoroan’ny Antsirabe Rugby Club (ARC). Norombahin’ny Besarety Rugby Club ny am­boara sy ny lelavola ary omby mifaha, rehefa nandresy ny XV Taureaux, tamin’ny isa 18 no ho 13. Fihaonana niady ary […]