Taratra

Analanjirofo: maherin’ny 2 000 t/taona ny voka-bary amin’ny 675 ha

Misitraka velarantany azo volena ny distrika Vavatenina sy Soanierana Ivongo. Hahatratra 1 500 t isan-taona ny voka-bary ho azo amin’ny lemaka 500 ha, vao nohajariana. Hitsahatra hatreo ny fambolena amin’ny alalan’ny «tavy», fanaon’ny mponina mahazatra tany aloha, manimba ny ala sy ny tanety. Tanterahin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae) […]

Antoko Arema : “Tsy azo ekena ny herisetra sy ny fampiasan-kery…”

“Tsy ankasitrahanay ny herisetra tamin’ny hetsika teny amin’ny kianjan’ny 13 mai teo. Mirary fahasitranana ho an’ireo naratra”, hoy ny fanambaran’ny Arema. Nohi­tsin’izy ireo fa tsy mamaha olana eo amin’ny tsy fitovian-kevitra ny fihenjanan’ny tady sy ny herisetra. Mandranitra fizarazarana sy fahalovana ary fahapotehan’ny hoavin’ny firenena ny fampiasan-kery amin’ny hetsika am-pilaminana, […]

Jly Rakotoarijaona Josoa! « Isika samy Malagasy ihany no afaka mifanampy »

Marary maherin’ny 900 nizaha fahasalamana tetsy amin’ny fokontany Anatihazo Isotry, boriborintany fahefatra, ny 2 sy ny 3 oktobra maraina teo. Hetsika manokana notarihin’ny eo anivon’ny tafika malagasy amin’ny alalan’ny Bataillon Médical Ampahibe izany. Mizaha fahasalamana maimaimpoana ho an’ny rehetra izy ireo. Nijery ifotony ny fizotry ny hetsika ny minisitry ny […]

Sombim-baovao

Losc Lille, klioba baolina kitra D1 any France. Anisan’ireo klioba hanatrika ny fifantenana farany, izay hatao eto Antananarivo, ny 27 novambra -2 desambra ho avy izao. Abdenord Belkaci, mpitily ofisialin’ny Losc Lille mihitsy no ho avy eto amintsika. Marihina fa hetsika «  Baolina kitra mahatafita », tetikasan’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora […]

Kitra – D2 Nasionaly : hanomboka anio ny “Poule des As”

Hotanterahina manomboka anio, ao amin’ny kianjan’i Bari­ka­dimy Toamasina, ny andro voalohany amin’ny fifaninanana « Poule des As » D2 Na­sionaly, taranja baolina kitra. Lalao roa no handeha any an-toerana. Hifanandrina voalohany amin’izany ny FC Inate Vakinankaratra sy ny KFCA Diana. Ny fihaonan’ny FC JM Androy sy ny 3FB Alaotra Mangoro ny faharoa. […]