Paikady iray hifehezana ny fiparitahan’ny tsimokaretina VIH/Sida ny fikarakarana manokana ireo vondron’olona marefo. Fampisitrahana ny fitaovam-piarovana samihafa sy ny fandraisana an-tanana ho an’ireo efa miaina miaraka amin’ny tsimokaretina. Nanao fanairana ny fikambanana mpisehatra amin’ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/Sida noho ny tsy fisian’ny fitaovana sy kojakoja fiarovana sy fandraisana an-tanana ampiasaina […]
Taratra
Azafady Babako-Androy sy Anosy: Napetraka ho fady mihitsy ny fampanambadiana ny ankizy aloha loatra
Mbola maro ny faritra mampanambady ny zanany aloha loatra eto Madagasikara noho ny fahantrana lalina na ny fomban-drazana fa eo koa ny fifampitaoman’ny samy ankizy fotsiny. Mitera-doza ho an’ny fiarahamonina anefa izany ka tsy maintsy ilana vahaolana. Natao ho fady any Androy sy Anosy io fampanambadiana ny ankizy aloha loatra […]
TARATRY ny KANTO
Hiverina indray ny ady hiragasy, etsy amin’ny Kianjan’ny hiragasy Ampefiloha. Hifandona, rahampitso, ry Fredy Kely avy eny Imerintsiatosika sy ry Rapaulson avy any Fenoarivo Gara. Manomboka amin’ny 10 ora maraina ny fidirana voalohany, haharitra mandra-paharivan’ny andro izany. 27 marsa ka hatramin’ny 31 marsa. Hanamarika ny Taombaovao Malagasy eny Ambohidratrimo ny Malagasy […]
« Duo de choc » : Folo taona nizarana ny « mozikan’ny fo » i Yvon Paul
Razakarivony Yvon Paul, fantatr’ireo mpankafy ny kanto an-kira sy mozika amin’ny hoe Yvon Paul. Mandia ny faha-10 taona nikirakirany mozika amin’ity taona 2025 ity. Mpanakanto miezaka hatrany ny manome lanja ny tononkira sy ny fandrindrana izany mba hahafeno ny famaritana ny kanto. 10 taona nizarana ny « mozikan’ny fo » izay azo […]
« Madagascar Film Festival »: Dimy andro ho an’ny sarimihetsika
Anisan’ny hetsika lehibe andrasan’ny mpisehatra amin’ny tontolon’ny sarimihetsika izy ity. “Madagascar Film Festival – ISSM Awards 2024”, izay hotontosaina mandritra ny dimy andro, hanomboka ny 26 marsa izao. Saika ao amin’ny Havoria Anosy avokoa ny hetsika, ka hisy ny fandefasana horonantsary hifaninana isaky ny sokajy ny 27 sy 28 marsa […]