Voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy iray nangalatra tao amin’ny hopitaly CHUMEA Ambohimiandra, ny 12 mey teo, tamin’ny 9 ora sy fahefany alina. Niditra antsokosoko tao amin’ny faritry ny hopitaly io lehilahy io ary nikasa hangalatra ny fitaovana fanoratana tao an-toerana. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ny tsara sitrapo ka […]
Taratra
Bila, mpilalaon’ny Elgeco Plus : Hita faty, feno ratra tetsy Ankaditoho
Hita faty tetsy Ankaditoho Tsimbazaza, afakomaly maraina tamin’ny 6 ora, Ranaivoson Ndratoarilala, na i Bila, lehilahy 32 taona. Teo akaikin’ny sekoly FPVM no nahitan’ny mponina ny vatana mangatsiakany. Olona nandeha maraina no nahatsikaritra izany ka nampandre ny sefo fokontany. Ity farany no nampahafantatra ny zava-nisy tamin’ny polisim-pirenena. Mbola hita teny […]
Mandrosoa Ivato : Fito mirahavavy notanana am-ponja
Notanana vonjimaika any am-ponja ireo fito mirahavavy voasaringotra tamin’ny halatra solosaina tao amin’ny tranombarotra iray eny Mandrosoa Ivato, kaominina Talatamaty, distrikan’Ambohidratrimo, afakomaly. Niditra tao amin’ny toeram-pivarotana iray, mody mampiresaka ny mpivarotra ny roa tamin’ireo andiam-behivavy. Raha toa ka mbola misy mpiasa hafa, miditra an-tsehatra indray ny roa vavy hafa ary […]
Tovolahy maty voatsindrona antsy : Tompon’antoka ny ray aman-drenin’ny sipany
Nifanao fotoana ary avy eo notsatohin’izy ireo antsy, ny lehilahy iray, izay sipan’ny zanany vavy tetsy Anosipatrana. Ny ray aman-drenin’ilay tovovavy no tompon’antoka sy atidoha nikotrika ny vono olona. Olona dimy naiditra vonjimaika am-ponja. Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ireo olona dimy mianaka, izay voarohirohy tamin’ny famonoana lehilahy iray […]
Humanity First sy ny Ahmadiyya: Manolotra fitsaboana maimaimpoana
Marobe ireo olona tsy misitraka fitsaboana ara-dalàna amin’izao fotoana izao, noho ny fahasahiranana. Manoloana izany, mandalo eto Antananarivo, manome fitsaboana maimaimpoana mandritra ny telo andro, ireo dokotera miisa enina avy amin’ny ONG Humanity First avy any Alemana, tarihin’ny dokotera Wjahat Waraich. Fiaraha-miasa amin’ny miziolomanina Ahmadiyya no ahafahan’izy ireo manatanteraka ny […]




