Jiolahy iray mpamaky trano saron’ny polisy avy ao Ilanivato ny 19 marsa lasa teo. Voasambotra tetsy Andavamamba noho ny resaka vaky trano izy io. Efa fomba fanaony ny manao izany ary lasibatra amin’ny asa ratsiny ny eny amin’ny manodidina an’Andavamamba Anjezika. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izao hetsika […]
Taratra
Noho ny hanoanana : Mpianatra telo lahy tratra nangalatra mangahazo
Mpianatra telo lahy avy amin’ny sekoly tsy miankina iray any Mandritsara an-tampon-tanàna tratra nangalatra mangahazo 30 fototra tao Maroamboka, omaly tamin`ny 2 ora maraina. Ny hanoanana nisy teo amin’izy ireo sy mba hananana vatsy hiatrehana fianarana no antony nahatonga azy ireo nanao izao asa ratsy izao, raha ny fanazavana voaray. […]
Voadonan’ny moto tetsy Ambatobe: Tapaka ny tongotr’ ilay niharan-doza
Naratra mafy voadona teo amin’ny tongony ny lehilahy iray niharan’ny lozam-pifamoivoizana tetsy Ambatobe, boriborintany fahadimy, omaly. Somary nisy fitohanana nidina ny lalana avy any Ambatobe nikasa hihazo an’Analamahitsy. Niampita ny arabe tampoka ilay lehilahy kinanjo nipoitra ilay moto. Nifatratra avy hatrany tamin’ny tongony. Tapaka ny ranjon’io mpantsaka rano io. Tetsy […]
Fanafiana mitam-piadiana: jiolahy enina maty voatifitra
Lavon’ny tifitry ny polisy ny enin-dahy mpanao fandrobana mitam-piadiana tao Toamasina, ny alin’ny alakamisy 20 marsa teo. Mpanadio trano ao amin’ny banky iray ao an-toerana voasaringotra. Nirefodrefotra ny basy nifamalian’ny polisy sy ny jiolahy, ny alin’ny alakamisy tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany, niainga avy teo Mangarivotra ka hatrany […]
Fetim-pirenena 26 jona: Mijoro ny komity mpanomana
Nampahafantarina amin’ny fomba ofisialy, omaly, ireo mpikambana ao anatin’ny komitim-pirenena mikarakara ny fankalazana ny 26 jona 2025. Hanomana ny fety niverenan’ny Fahaleovantena sy ny fetin’ny Foloalindahy. Filoha vaovao hitantana izany ny talen’ny ofisy miaramila misahana ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina, ny Jly Rakotondrabary Eric. Miara-miasa manatanteraka aminy izany fikarakarana izany […]