Velon-taraina ny ankamaroan’ny mponina any Nosy Be manoloana ny olan’ny fananan-tany any an-toerana amin’izao fotoana izao. Manaitra ny tomponandraikitra isan-tokony izy ireo. Nambaran’ny sasany fa tsy mahazo rariny ireo manana olana ara-pitsarana momba ny ady tany. “Tena mitaraina izahay fa sahirana na misy aza ireo porofo maro samihafa anananay vahoaka. […]
Taratra
Nandresy an’i Centrafrique : Nahababo ny fon’ny Malagasy ny endri-dalao nasehon’ny Barea
Taorian’ny lalao nasehon’ny Barea, afakomaly, resy lahatra avokoa ny Malagasy maro. Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ireo teknisianina sy mpankafy Barea, teto an-toerana. Tsy maty tao ambavan’ny maro, omaly, ny fandresena, 4 no ho 1, azon’ny Barea nanoloana ny Les Fauves Centrafrique, afakomaly, tany Maroc. Araka io vokatra io, misy ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Tsy maintsy hovitaina amin’ity taona 2025 ity ny arabe migodana ampahany voalohany, Antananarivo-Anjozorobe, mirefy 80 km. Mahatratra 24% ny fandrosoan’ny asa ankehitriny. Nankatoavina ny fampiasam-bolam-panjakana hanatanterahana ireo. Eo am-pamolavolana ny ampahany faharoa, Anjozorobe-Toamasina amin’izao fotoana izao. Andro iraisam-pirenena ho an’ny ala (JIF) anio 21 marsa. Any amin’ny Valanjavaboahary Sisaony Ambatofotsy, […]
Eto Madagasikara : Ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka
Maherin’ny 40% ny zaza latsaky ny dimy taona no miaina anatin’ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto Madagasikara. «Voakasik’ izany ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana, noho izy ireo mazàna lasibatry ny loza voajanahary», hoy ny lehiben’ny sampandraharaha fanjohiana sy fanaovana tombana eo anivon’ny Foibem-pirenena fanjarian-tsakafo (ONN), Raharijaona Andriamihaja, omaly. Manana […]
Asa Avotra Mirindra faha-5 : Tantsaha 14 000 nisitraka tohana
Tontosa tao anatin’ny 40 andro ny andiana asa fahadimy amin’ny tetikasa «Asa Avotra Mirindra». Voakasik’izany ny faritra Analamanga, nanomboka ny 13 novambra 2024 hatramin’ny 7 febroary 2025. Miisa 28 ny kaominina nisitraka ny tetikasa ao anatin’ny distrika Anjozorobe, Ankazobe ary Manjakandriana. Natao hanampiana amin’ny famokarana, ny fihariana ary hanatsarana ny […]