Tsy misitraka rano fisotro madio ny 74% ny mponina eto Madagasikara. Tafakatra 76% io taha io eny amin’ny tontolo ambanivohitra raha toa ka 67% ny Malagasy an-drenivohitra no miaina izany. Nivoitra tao anatin’ny fanadihadiana nataon’ny Afrobarometer fa 74% ny Malagasy no tsy misitraka rano fisotra madio ho an’ny filana ao […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Mitohy ny fiofanana FETP Frontline, hanamafisana ny traikefa ananan’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fiatrehana sy fisorohana ny valanaretina. Eo koa ny fanatsarana ny fandrindrana ny asa. Ilaina ny paikady mirindra sy fanaraha-maso hentitra hanatsarana ny fitsaboana sy hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Notanterahina tao Farafangana, ny herinandro lasa teo, ny fampiofanana ireo […]
Aretina “anevrisme fusiforme”: Mila fandidiana any Inde i Fanilo
Tratry ny aretina “anevrisme fusiforme” amin’izao fotoana izao, Randriamamonjy Fanilo, zanak’i Torcelin Randriamamonjy, mpanao gazety misahana ny fanatanjahantena ato amin’ny Gazety Taratra. Misy fibontsinana noho ny ra mivaingana ny lalandra ao amin’ny lohany havia, araka ny “scanner” natao taminy. Naiditra teny amin’ny hopitaly miaramila Homi, ny 3 marsa lasa teo, […]
Fahasalamana : Notokanana ny Maison des infirmiers
Nanetriketrika ny fitokanana ny Maison des infirmiers, omaly, tetsy amin’ny INSPC Mahamasina. Mamaha olana maro eo amin’ny fiainan’ny fianakaviamben’ny infirmier ny fahavitan’ny fotodrafitrasa. Nanofa trano ny birao hatramin’izay, mahaleo tena izy ankehitriny. Misy ihany koa ny trano azo ivantanan’ireo avy lavitra ao amin’ity tranon’ny infirmier ity. Maro ny ezaka natao […]
Fanadiovana an’Antananarivo: Nentanina ny mponina amin’ny hetsika “Zéro plastique”
Fihetsika isarihana ny sain’ny rehetra ary hanairana ny isam-batan’olona no nataon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra niaraka tamin’ny fikambanana skoto sy ny mpanabe tanora, omaly, teto Antananarivo, nandritra ny hetsika “Zéro plastique”. “Zéro Plastique” no lohahevitra nentina nandritra ny fanadiovana tamin’ireo toerana maro, nanangonana karazana plastika nanentsina ny lakandrano eto Antananarivo. Fokontany […]