Sady tsy mandroso no tsy mihemotra! Nijanona eo amin’ny laharana faha-115 ny filaharan’ny Fifa, ny Barea de Madagascar, araka ny vaovao nivoaka, afakomaly. Miamafy ny tsindry ho an’ny mpanazatra Barea. Eo ihany! Namoaka ny filaharan’ireo firenena amin’ny resaka baolina kitra, ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa, afakomaly. Tazana tao anatin’izany fa niraikitra eo […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Mandray ny atrikasa fialantsasatra ho an’ireo ankanin-jaza hatramin’ny kilasy fahadimy ny « Petit pied », ao Tsarasaotra, ho fanomezana azy ireo ny toerana maoderina miaraka amin’ny efitrano fianarana tsara sy fampianarana ambony. Misy ihany koa ny dihy, lomano, robotika, fitsangatsanganana, atrikasa mahandro. Notanterahina tao amin’ny kianja tomboravo Ambilobe ny 10 […]
Tazomoka mandripaka any Ikongo: Ifarimbonana ny vonjy aina ny mponina
Tonga mivantana ao amin’ ny distrika Ikongo ireo solontenan’ny governemanta. Ahitana minisitra efatra izany, toy ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, ny minisitry ny Atitany, sns. Mifarimbona amin’ny fanohanana ireo mponina any an-toerana manoloana ny fandripahan’ny valan’ aretina tazomoka izy ireo. Manatanteraka avy hatrany ny fanaraha-maso sy manamafy ireo toromarika […]
Hetsika JMCJ etsy Antanimena: Hisitraka fiofanana IA maimaimpoana ny tanora
Homarihina ny 15 sy 16 jolay izao ny Andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora (JMCJ). Anisan’ny hankalaza izany i Madagasikara amin’izao faha-10 taona nanamarihana izany. Lohahevitra mandritra izany ny hoe : “Fanomezana hery ny tanora amin’ny alalan’ny “Saina voatran’olombelona – Intelligence artificielle, IA” sy ny fahaiza-manao niomerika”. Natao hampiroboroboana ara-tsaina […]
Madagascar Security Academy: Manana ny fenitra iraisam-pirenena ny karazam-piofanana marolafy
Goavana sy miezinezina ny fotodrafitrasan’ny MSA eny Andakana ary mahasahana karazam-piofanana maro. Manana ny fenitra iraisam-pirenena ny toerana ka ankatoavina maneran-tany ny mari-pankasitrahana azo aorian’ny fiofanana ao aminy. Notokanana omaly, teny Andakana Ambohidratrimo, ny Madagascar Security Academy (MSA) na ny foiben-toeram-piofanana manana tolotra marolafy mahakasika ny fiarovana sy ny fandriampahalemana […]




