Olon-dratsy roa lahy nitam-piadiana nanambana basy ka nandroba vola an’ny mpanao Cash point teny Mahamasina Ankadilalana, ny marain’ny sabotsy 12 jolay tamin’ny 7 ora sy sasany. Hamonjy ny toeram-piasany ilay renim-pianakaviana sy ny vadiny. Niambozona ny sakaosy nisy ny vola mitetina 25 tapitrisa Ariary sy finday fampiasa ilay ramatoa. Nandrasan’ny […]
Taratra
Fanondranana zavamaniry arovana: Teratany karana roa sy Malagasy iray voarohirohy
Niakatra fampanoavana, afakomaly, ny teratany karana roa sy Malagasy iray, ahina ho mpanao trafikana Harena voajanahary. Nahatratra karazana zavamaniry voarara miisa 40 izy ireo. Tratra nanao hosoka mahakasika ny fanondranana zavamaniry arovana tao amin’ny zaridaina iray etsy Ivoara, kaominina ambanivohitra Masindray ny teratany karana iray. Nanantanteraka fisavana teny amin’ny zaridaina […]
Sarimihetsika: Mifanome tanana ny Netflix sy ny Canal Plus
Nampahafantarina tetsy Ambodivona, omaly, ny tolotra vaovaon’ny Canal Plus dia ny Netflix izany. Ny volana jona teo, nanao fifanarahana stratejika tamin’ny Netflix ny vondrona Canal Plus. Fiaraha-miasa miforona eto Madagasikara hahazoan’ny mpanjifa misitraka mivantana ny Netflix, amin’ny alalan’ny famandrihana misy ny traikefa tsotra sy mora. Hanamarihina izany fanombohana izany, manome […]
Toamasina : Mpanjono telo lahy tsy hita popoka
Efatr’andro aty aoriana, mpanjono telo lahy tsy hita popoka raha nanjono tany atsimon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tsy azo an-telefaonina izy ireo ary efa lany vatsy ihany koa. Nianga teo amoron-dranomasin’i Toamasina, ny talata 9 jolay tamin’ny 9 ora maraina ny mpanjono telo lahy. Andeha hanjono mandritra ny alina amin’ny alalan’ny fintana sy […]
VAOVAO TAMBATRA
Anisan’ny fidiram-bola voalohan’ny mponina any Sainte-Marie ny fizahantany. Nasongadin’ny filoha Rajoelina Andry nandritra ny fihaonany tamin’ny vahoaka, omaly, fa ho tohanan’ny fanjakana ny sehatry ny asa tanana. Tsy mena mitaha ny any Seychelles ny any Sainte-Marie, raha jerena amin’ny hakanton’ny tanàna sy ny lalana amin’izao fotoana izao. Maherin’ny 14 000 ny […]




