Hiakatra kianja indray anio ny governemanta sy ny depiote. Amin’ny 10 ora maraina no voalaza fa haneno ny lakolosy ho fanombohan’ny fifanatrehana amin’ny minisitra sy ireo mpanao lalàna… Haharitra roa andro ny fihaonana hoenti-mifanadina izay vita tao anatin’ny herintaona nihaonana farany. Asa, hanao ahoana ny ho fizotry ny lalao […]
Taratra
50 taona ny Fofifa : Hikaroka masomboly vary, vaovao, efatra sahaza ny toe-tany
Misehatra amin’ny fikarohana masomboly ny Fofifa nandritra ny 50 taona. Tanjona manaraka napetrany ny hamorona masomboly vary miisa 4 mahatanty haintany. Fotoan-dehibe ho an’ny Foibe fikarohana momba ny fambolena (Fofifa), omaly. Notokanana ny tsangambato faha-50 taona sy ny efitrano malalaka “Amphi Théâtre” eny Ampandrianomby. Lohahevitra amin’ity jobily volamena ity ny […]
TSELATRA
Kilan’ny afo ny tranon’ny Pretra ao Alarobia Ambatomanga, omaly vao mangiran-dratsy. Fifampikasohan’ny herinaratra no niandohan’ny firehetana, araka ny loharanom-baovao. May avokoa ny efitra rehetra tao amin’ilay trano misy rihana. Mitohy ny fikarohana ilay lehilahy nanolana sady namono ny sakaizany tao Ambatovato, fokontany Antsikafoka, kaominin’i Mahambo, distrikan’i Fenerive Atsinanana. Notsatotsatohan’io lehilahy […]
Trafikana voamaso : Fito lahy voasambotry ny polisy
Voasambotry ny polisim-pirenena tao amin’ny fokontany Besavoa, afakomaly maraina, ny lehilahy fito, voarohirohy amin’ny fisolokiana sy fanaovana trafikana voamaso. Naharay angom-baovao tamin’olona tsara sitrapo ny Sampandraharaham-paritra misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna Ihosy tamin’ ny 6 ora maraina fa misy andian’olona mandehandeha sy mivezivezy ao an-tampon-tanàn’Ihosy, hitady mpividy voamaso. Nidina ifotony nanao […]
Saika hanondrana volamena: Teratany indianina naiditra am-ponja
Natolotra ny fampanoavana, eny anivon’ny fitsarana Anosy, afakomaly, ilay teratany indianina saika hanondrana antsokosoko vovo-bolamena ho any Dubaï, ny 5 jona lasa teo. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ny tenany taorian’ny valim-pitsarana. Nilanja 422,72 g ny ny harem-pirenena sarobidy teny aminy, saron’ny polisy misahana ny sisintany eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato. […]




