Renim-pianakaviana 47 taona hita faty tao anaty lavaka mirefy 20 m tao amin’ny fokontany Memangoraka, kaominina Mangatany, distrikan’i Fenoarivobe, ny 27 mey teo. Naharay antso avy amin’ny sefo fokontany ao an-toerana ny zandarimaria momba ny fisiana fatin’olona hita. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy ny ekipan’ny CSB II ao Mangatany sy […]
Taratra
Voalaza ho mpangalatra : Lehilahy matin’ny mpianatr’Ankatso II
Niharan’ny fitsaram-bahoaka teny amin’ny faritry ny trano fonenan’ny mpianatra Ankatso II ny lehilahy iray. Nikasa hangalatra sy hanao sinto-mahery izy sy ny namany efatra hafa saingy tratran’ny olona. Tavela teo amin’ny kianja fanaovana basikety teny an-toerana ny razana omaly maraim-be. Lehilahy manodidina ny 25 taona, hita faty teo amin’ny kianja […]
Andro fiakarana sy fialantsasatra: Maro ireo olona nisafidy ny hitady vola noho ny fahasahiranana
Mbola ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny ankamaroan’ny olona eto an-dRenivohitra. Andro tsy fiasana ny omaly saingy betsaka ireo mitady vola sy nisafidy ny hivarotra ihany. Nisy ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpivarotra eny Analakely, omaly. Tsy dia nahitana fiovana loatra ny fiainana teny Analakely, omaly, na dia natokana ho andro tsy […]
“Shoot Out” Andiany faha-3 : Nanomboka omaly, tany Antsirabe
Nanomboka omaly, tany Antsirabe, ny fifaninanana “Shoot Out”, andiany fahatelo, taranja basikety lalaovin’olona 3. Fifaninanana fanao isan-taona, ity lalao ity, nanomboka ny taona 2022 ary niato kely ny taona 2023. Ny ligin’i Vakinankaratra, taranja basikety, eo ambany fiahian’ny Federasionina malagasin’ny basikety no mikarakara ny fifaninanana, ka manoloana ny gara no […]
Baolina kitra – “Cosafa 2025” : Niala an-daharana i Maroc, hifandona i Tanzania sy ny Barea
Araka ny vaovao navoakan’ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly, niala an-daharana tamin’ilay fifaninanana afrikaninana aty atsimon’i Afrika, “Cosafa”, izay hatao any Afrika Atsimo, i Maroc. Nosoloin’i Tanzania ny toeran’izy ireo, ka ny ekipa nasionaly tanzanianina indray izany no hifandona amin’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Tsiahivina fa ao amin’ny […]




