Taratra

Fanendrena tale : novana ny an’ny HJRA, HJRB, CHU Andohatapenaka

Nisongadina tao anatin’ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, ny fanendrena ireo tompon’andraikitra voalohany hitantana indray ireo hopitaly lehibe eto Antana­na­rivo. Anisan’izany ny HJRA, HJRB ary ny hopitaly manara-penitra etsy Andohata­penaka. Notendrena tamin’izany Ramarolahy Andriatiaray Rija Niaina, hitantana ny Centre Hospitalier Universitaire Jo­seph Ravoahangy Andriana­va­lona (HJRA) etsy Ampefi­loha. Mpitantana vaovao […]

«Mutuelle de santé»: hanaovana andrana ny Cisco telo

Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra, ny alarobia teo, fa hatao andrana amin’ny fametrahana ny «Mu­tuelle de santé» izay fisitrahana tohana ara-pahasalana ho an’ny mpampianatra ny ao amin’ny Cisco Analamanga sy Fianarantsoa ary Befan­dri­ana Avaratra. Hanomboka amin’ity vo­la­na janoary ity izany andrana izany ary hotombanana any amin’ny volana jona. Rehefa hita […]

Rivodoza Cheneso : ho levona rahampitso na alahady

Niditra an-tanety tao ava­ratr’Antalaha, omaly tamin’ ny 11 ora latsaka fahefany teo, ilay rivodoza Cheneso. Miki­saka mianatsimo andrefana ny diany ka nahafaka 15 km isan’ ora. 90 km isan’ora ny rivotra entiny, arahina tafiotra 120 km isan’ora. Mbola mety hiteraka fahasimban’ny toeram-ponenana sy ireo fotodrafitrasa marefo hatrany izany tafiotra izany […]

Taratry ny kanto

T-Club – Boboh sy Tonton Pà “Tafaray 2023”. Io ny nampisalorana ny fiarahana an-tsehatra hataon’i Tonton Pà (tarika Rebika) sy i Boboh (tarika Mahavanona), anio manomboka amin’ny 2 ora. Natao tolakandro satria sady fotoana hitokanana ny T-Club, toeram-pialamboly vaovao etsy amin’ny 67 ha izy ity. Mazava loatra fa sady misantatra […]