Naiditra am-ponja ilay lehilahy mpisoloky voasambotry ny polisy tao Antsirabe, afakomaly. Olona miisa efatra nametraka fitoriana noho ny fisandohana nataon’io lehilahy io. Nilaza ho mahatafiditra mpiasa eo anivon’ny orinasa Jirama izy. Mody miantso olona amin’ny alalan’ny telefaonina. Miresaka mombamomba azy amin’ilay olona ho solokiana izay tsy lavitra azy aorian’izay. Noreseny […]
Taratra
Asa ratsy eto Antananarivo : Lehilahy roa tratra nangalatra sy namaky trano
Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena teo am-pangalarana sy famakiana trano teto an-drenivohitra, afakomaly. Nikasa hangalatra moto tetsy Tsimbazaza ny iray, namaky trano tetsy Ambodihady kosa ny faharoa. Mbola mitohy hatrany ny asa ratsy fangalarana sy famakiana trano ataon’ny olon-dratsy eto Antananarivo, na dia efa maro aza ny ezaka ataon’ny mpitandro […]
FANTINA sy FINTINA
Nihaino ny hetahetan’ireo ben’ny Tanàna avy any amin’ny faritra Itasy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Ravalomanana Richard, afakomaly. Voaresaka ny fampandrosoana ny faritra sy ny kaominina ary koa ny fitarainan’izy ireo. Nampanantena ny hampita izany amin’ny fahefana mpanatanteraka ny Jly Ravalomanana. Efa miroso ny asa amin’ny tetikasa Lac Iarivo, araka ny fampitam-baovao […]
Jly Ravalomanana Richard: “Aoka tsy hanaiky hampiadiana isika zandary”
Nanafatrafatra ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, tany Moramanga. Notanterahina ny alarobia teo ny lanonana ara-miaramila famindrana fibaikoana eo amin’ny kaomandy teo aloha ho an’ny Sekoly ambonin’ny zandary Moramanga, ny Jly Rabemanantsoa Josh, sy ny kaomandy vaovao, ny Jly Ramaminirina Solofoniaina. Anisan’ ny niatrika izany […]
Mandeha ny fotoana!
Mihazakazaka ny fihodinan’ny ora, ny andro, ny volana. Hifarana sahady ny volana fahadimy, amin’ny taona 2025. Efa hisasaka ny taona, saingy mba inona re no vitan’ny tsirairay? Toa zara raha misy hisainana sy hanaovan-javatra ilay vanim-potoana. Toa miridana, mijonjorombona tsy ahafahana manangan-javatra. Vanim-potoana tokony handinihin-tena izao ho an’ny olom-pirenena […]




