Maty voatifitry ny mpitandro filaminana, ny zoma 16 mey teo, ilay lehilahy namono nahafaty ny reniny tao Mahaly, fokontany Anaviavy, kaominina Iamonta, distrikan’i Vondrozo. Niketriketrika haka ny lova io lehilahy io. Ny reniny izay mbola velon’aina soa aman-tsara no novonoiny. Novelesiny teo amin’ny faritry ny lohany io reniny izay efa […]
Taratra
Nosy varika – Raim-pianakaviana voasambotra: mitaky ny hamoahana azy ny mponina
Notanana natao andrimaso eo anivon’ny tobim-paritra Nosy Varika, amin’izao fotoana izao, ny lehilahy iray voalaza fa saika hampamono sefo fokontany tany amin’ny fokontanin’ Ambatoseza. Tonga nanatitra azy io tany amin’ny zandary any an-toerana ny miaramila telo lahy avy ao amin’ny 2ème Compagnie Vohimanoro, ny alarobia 14 mey, tamin’ny 04 ora […]
Mandrimena Andoharanofotsy: mpitondra moto maty nidona tamin’ny kamiao simba
Namoa-doza indray ny fiara lehibe mpitatitra, simba, nijanona tamin’ny arabe tetsy Andoharanofotsy, ny sabotsy alina teo. Tsy nametraka mari-pamantarana manambara ny fijanonany. Tovolahy iray nitondra moto scooter maty rehefa nidona taminy. Maty tsy tra-drano, nidona tamin’ny vodina fiara lehibe iray tetsy amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK 10 + 600, Mandrimena Malakialina, […]
Antenimierampirenena: ifandroritana ny fikononkononana fitsipaham-pitokisana
Inona ny marina? Ny amin’ny fikononkononana eny anivon’ny Antenimierampirenena ny hanaovana fitsipaham-pitokisana ny governemanta. “Manamafy aho fa misy izy io”, hoy ny depiote tsy miankina voafidy tao Antananarivo III, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa, teny Tsimbazaza, ny faran’ny herinandro teo. Depiote no nanatona azy, mandresy lahatra amin’izany. Mbola vitsy… Tsy mbola misy […]
Mpilalao 24 mirahalahy hiatrika fampivondronana
Iray volana mialoha ireo lalao iraisam-pirenena, ny « Masters » sy ny « Tournois estivaux 2025 », hatao any France, namoaka ny anaran’ireo mpilalao voafantina mialoha ho anaty ekipam-pirenena ny federation sport-boules malagasy (FSBM). Masontsivana maro no nifantenana azy ireo. Ho fiatrehana ny “Masters” sy ny “Tournois estivaux 2025”, taranja tsipy kanetibe hatao any […]




