Taratra

Taranja taekwondo : Tafaverina eo anivon’ny Com

Notanterahina omaly, tetsy amin’ny Tometal Mahama­sina, ny fivoriamben’ny Kao­mity olympika malagasy (Com). Tonga nanatrika izany ireo lehiben’ny federasionina miisa 27, mandrafitra ity kaomity iray misahana ny fanatanjahantena eto Madagasikara ity. Araka ny vaovao voaray teny an-toerana, tafaverina eo anivon’ny Com ny taranja taekwondo WT. Raha tsiahivina, tsy nankatoavin’ny Kaomity olympika, […]

SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny dingana famaranana, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fifaninanana nasionaly N1A, dingana voalohany, ho an’ny vondrona A. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hiady ny amboaran’ny ligin’i Boeny ny ekipan’ny MB2All Analamanga sy ny ekipan’ny GNBC Analamanga. Niditra an-tsehatra, omaly, ny solontena mala­gasy miatrika ny Grand Slam, taranja Jiu-jitsu Brezi­lia­nina, any […]

Baolina kitra – PFL : Hanohitra ny Elgeco Plus ny Ajesaia

Hotanterahina anio sy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium, ny lalao ampahefa-dalana mandroso, hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra na « PFL 2025 ». Tsy misy kajikajy intsony fa tsontsorimamba isarahana izy ity. Hanafika ny Elgeco Plus eo an-jaridainany ny Ajesaia Bongolava, amin’ity anio ity. Fihaonana hiendrika […]

JJB-“Lemur Cup”: Tonga ny vahiny, raikitra ny fifaninanana

Hotanterahina anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fifaninanana iraisam-pirenena “Lemur Cup”, taranja Jiu-jitsu breziliana. Hisy koa ny fifaninanana eo amin’ny haiady “pancrace” sy “boxe anglaise”. Tonga ireo vahiny nasaina, raikitra ny fifaninanana! Kanadianina 4 (3 lahy sy 1 vavy) no tonga eto Mada­gasikara hiatrika ady, manoloana ny Malagasy mpika­troka. […]

Tratra nivarotra rongony : Telo lahy nalefa eny Antanimora

Notanana eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo telo lahy mpivarotra rongony, taorian’ny fampanoavana, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny kaominina Ambohimangakely ny zandary, ny alin’ny alatsinainy 12 mey teo. Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana, vaky trano nifanena tamin’izy ireo. Nikasa handositra avy hatrany io mpanao ratsy io rehefa nahatazana ny mpitandro […]