Misy mpilalao vaovao, eo ihany koa ireo tafaverina indray ao anatin’ny Barea de Madagascar. Na izany aza, saika mpilalao mpilaravinahitra avokoa ny nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea hiatrika ny lalao tsapa any Frantsa, ny volana jona ho avy izao. 24 ireo mpilalao nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea, hiatrika […]
Taratra
Fahafatesan’i Raissa kely: notanana vonjimaika am-ponja ny renibeny
Voatazona vonjimaika any am-ponja, taorian’ny fampanoavana teny amin’ny fitsarana Anosy, omaly, ny reniben’i Raissa kely sy ankizilahy roa tsy ampy taona. Zanaky ny iray tampo amin’ny rainy ny iray. Notanana vonjimaika eny Antanimora ny reniben’i Raissa izay renin’ny rainy sy ny ankizilahy zanaky ny iray tampo amin’ny rainy, niampy ankizilahy iray […]
Fiompiana biby: ilaina fahaizana ny mitaiza biby tongotr’efatra sy tongo-droa
Maro ny olona mivelona amin’ny biby tongo-droa sy tongotr’efatra. Raha ho an’ny Malagasy manokana, ny akoho sy ny alika no tena be mpiompy. Ao ireo mivarotra akoho fa ao koa ny mivarotra alika “chien de race”. Ilaina fahaizana nefa ny mikolokolo azy ireny. Efa betsaka ny Malagasy miompy biby. Nisy […]
Vaovao tambatra
Nihena 45,3% ny vola niditra tamin’ny fanondranana lavanila nandritra ny telo volana voalohan’ny taona 2025. Nidina 44,3% ny vokatra, nihena 1,8% ihany koa ny vidiny. Antony mahatonga izany ny hamaroan’ny tahiry, milanja hatrany amin’ny 1 000 taonina, any ivelany ka nampihena ny fanafarana. Tafakatra 212,9% ny vary nafaran’i Madagasikara nanomboka […]
Madagascar Airlines: nivoaka ny daty fanonerana tapakila
Taorian’ny fangatahana nataon’ireo mpandeha voakasiky ny sidina nofoanana, nilaza ny Madagascar Airlines fa efa fa nivoaka ny tetiandro hanonerana ireo vidina takapika. Nampahafantatra ny kaompania fa manana ny mari-bola ahafahana mamerina ireo vidina tapakila izy ankehitriny. Misy, araka izany, ny fandaharam-potoana hiantohana ny fizotry ny fangatahana. Efa manomboka amin’izao ka […]




