Taratra

Ho fanentanana ny tanora: hanatontosa seho tokana eto i Tiakola

Mpanakanto afrikanina, mitondra avo ny mozika ankafizin’ny tanora maneran-tany i Tiakola. Sambany hisehatra eto Madagasikara izy, ny 11 jona ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nampahafan­tatra ny andinindininy momba ny fandalovan’i Tiakola sy ny seho hotontosainy eto ny NasProd sy ny KP Event, izay mpikarakara, omaly, tetsy amin’ny […]

« Festival Riziky »: hitiliana ireo manan-talenta mila tosika

Maro ny manan-talenta, fa tsy manana fahafahana. Mitodika amin’izy ireo ny Live Prod sy ny Yas Madagascar, hanome sehatra hiakarany amin’ny ambony kokoa. Zara raha misy 10 isan-jato amin’ireo manan-talenta amin’ny mozika eto Madagasikara ireo malaza amin’izao fotoana izao. Noho ny fahatsapana fa misy mpanakanto tokony homena vintana hiakarany no […]

Vaovao tambatra

Dinihina ny fahafaha-manokatra zotra mivantana eo amin’i Madagasikara sy Sri Lanka. Vavahady hidirana amina firenena maro any Azia i Sri Lanka sady foiben’ny fivezivezena iraisam-pirenena. Hojerena ao anatin’ny fiaraha-miasa ny tombony ara-toekarena sy ny fifanarahana « code share » hanatsarana ny fitohizan’ny sidina. Nihena 2,5% ny entana naondran’ireo orinasa afakaba nandritra ny […]

Mpamosavy malemy

  Toy ny vara-datsaka ny vaovao nilatsaka teto an-dReni­vohitra, omaly. Voalaza fa ny renibeny sy ny rahalahin-drainy ihany hoe no namono ilay zazavavikely, vao 8 taona tetsy Antohomadinika IVO. Tsy vitan’izay fa mbola niampy hoe: “Natao sorona”! Loza tsy roa aman-tany. Indroa nahita ny mangidy ilay zaza novonoina. Nolazain’ny velona […]

Filankevitry ny minisitra: fampandrosoana ny tapany atsimo

Niompana tanteraka tamin’ ireo paikady sy fandaharanasa mitondra fampandrosoana ho an’ny tapany atsimon’ny Nosy ny filankevitry ny minisitra, natao tany Toliara, omaly 14 mey. Nitarika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, natrehin’ny praiminisitra Ntsay Christian ary ireo mpikambana anaty governemanta. Nodinihina ny tetikasa efa mandeha, ny hatomboka ary ny mbola hatao […]