Ihazakazahana ny hoe fampandrosoana amin’izao? Maika avokoa ny zava-drehetra, marolafy… Mby aiza? Ny mampanontany tena koa: mba tena liana sy vonona amin’ny hoe fiovana sy fampandrosoana ve, ohatra, ny tsirairay, ny isan-tokantrano, ny fiarahamonina, ny faritra… ? Manomboka eo amin’ny tena ny fiovana sy fanovana. Tsy iandrasana ny hafa […]
Taratra
Fampiasam-bola tamin’ny fifidianana : Nisy kandidà depiote nandany vola 45 000 Ar
Namoaka tombana momba ny tetibolan’ireo kandidà tamin’ireo fifidianana ny eo anivon’ny Transparency International Initiative Madagascar (TI-IM), ny herinandro teo. Anisan’izany ny fifidianana filoham-pirenena, ny depiote ary ny ben’ny Tanàna. Navoitran’ny tatitra tombana fa maherin’ny iray miliara Ariary ny tetibola farany ambony indrindra lanin’ny kandidà depiote iray, raha toa ka 45 […]
TSELATRA
Vehivavy iray namoy ny ainy omaly, niharan’ny lozam-pifamoivoizana, teny Bemasoandro Itaosy. Tra-doza tampoka nodomin’ny fiara, ny alin’ny sabotsy 10 mey teo izy. Mitaky ny hampiharana ny lalàna ho an’ny nahavanon-doza ny fianakavian’ny maty. Nitsoaka ilay mpamilin’ilay fiara nandona saingy voasambotra ary nentina teny amin’ny zandarimaria. Angidimby nentina vazaha iray no […]
Fiara nivarina an-kady teny amin’ny RN4 : Mpianatra roa vavy namoy ny ainy, karohina ny mpamily
Namoizan’aina olona roa indray ny lozam-pifamoivoizana nitranga teny amin’ny RN4, teo amin’ny fokontany Manerinerina, kaominina Mahatsinjo, distrikan’Ankazobe, omaly. Avy nanao dia fibeazana, nitodidoha hihazo ny renivohitra ireo mpianatra ireo sy ny mpanabe azy. “Avy amin’ny oniversite tsy miankina izy ireo. Manodidina ny 17 hatramin’ny 22 taona eo avokoa ny salan-taonan’ireo […]
Fivarotana cocaïne : Lehilahy voarohirohy voasambotry ny polisy
Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP2 Mangarano, Toamasina afakomaly hariva. Voasambotra noho ny raharaha fitazomana sy fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika (cocaïne) izy ireo. Olona tsara sitrapo no sahy nitoroka ka nahafahana nisambotra azy roa lahy ireto. Natao ny vela-pandrika, vokany tratra tany Ambohijafy ny iray ary tany […]




