Mananosarotra ny fidirana eo amin’ny tsenan’ny asa ho an’ny Malagasy, tanora sy nahavita fianarana, noho ny tsy fahalalana izany. Vahaolana ny fandraharahana saingy mitaky finiavana manokana. Sakana ho an’ny tanora ny tsy fananana traikefa sy ny tsy fahalalana ny tontolon’ny orinasa. Nivoitra izany nandritra ny fifanakalozan-kevitra « Ndao resahina ny fampandrosoana » […]
Taratra
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina anio sy rahampitso ny lalao 1/16 ndalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra, « Yas Coupe de Madagascar ». Misy amin’ireo klioban’ny PFL no efa nandefa taratasy tany amin’ny Federasionin’ny baolina kitra (FMF) fa tsy hiatrika izany, noho ny halaviran’ny toerana hilalaovana. Hanomboka anio ny fiadiana ny tompondaka nasionaly, N1A, […]
“Women’s cup 2025” : Hidona voalohany amin’ny Makis Ladies i Kenya
Navoakan’ny Malagasy Rugby sy ny Rugby Afrique tao amin’ny tambajotran-tseraserany, omaly, ny fandaharan-dalao amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika “Women’s cup”, taranja rugby, vehivavy. Fihaonana hotanterahina etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny 7 ka hatramin’ny 15 jona ho avy izao. Hiady lohany amin’izany ireo firenena efatra ahitana an’i Madagasikara mpampiantrano, […]
Barea de Madagascar: Mety ho avy i Coquelin sy i Pelmard
Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fotoana izao, manaiky ny hanatevina ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, ireo mpilalao avy amin’ny klioba goavana any Eoropa. Mandeha ihany koa ny resaka fa mety ho avy amin’io lalao hifanandrinana amin’ny RDC Congo, izay hotanterahina ny volana jona, any Frantsa io, i Andy Pelmard, vodilaharan’ny […]
Cours avancé en management du Sport : Nivoaka omaly ny andiany faha-7
Tontosa, omaly, teny amin’ny foiben’ny Kaomity olympika malagasy Ivandry, ny famoahana ny mpiofana 11 mianadahy nanaraka ny fiofanana Cams, « Cours avancés en management sportives ». Andiany faha-7, izay misalotra ny anarana Fototra ireto nahavita ny fiofanana ka nivoaka omaly ireto. Nambaran’ny talen’ny fampiofanana, Ratoaviniriana Ramaroson, fa naharitra 7 volana […]




