Taratra

Nanaparitaka horonantsary mamoafady : Teratany vahiny naiditra am-ponja ao Mahajanga

Notanana am-ponja vonjimaika ao Marofoto Mahajanga ny teratany vahiny iray 69 taona, tratra nanaparitaka sary mamoafady, ny 7 mey teo. Voasambotry ny polisy miady amin’ny heloka ana habaka taorian’ny fiaraha-miasan’izy ireo sy ny fikambana “Child Rescue Coalition” any Etazonia, io lehilahy io. Naharay loharanom-baovao ny polisy fa misy olona mivelona […]

Maroantsetra : Rongony 30 kg tra-tehaka

Zava-mahadomelina 30 kg saron’ny fokonolona tao Ampitsahantelo, fokontany Soanierana, kaominina Maroantsetra, ny 6 mey teo. Nentina roa lahy tamin’ny sakaosy ireo rongony ireo. Nampiseho fihetsika hafahafa ireo roa lahy rehefa nahatazana olona tamin’ny lalana, tamin’ny 10 ora maraina. Nasaina nijanona hanaovana fanadihadiana izy ireo saingy nandositra. Natsipin’izy ireo avy hatrany […]

Ambolomadinika Toamasina : Jiolahy dimy mpamerin-keloka maty voatifitra

Nirefodrefotra ny basy tany amin’ny bazary vorondolo Ambolomadinika Toamasina afakomaly. Lavo nandritra ny fifanenjehana tamin’ny polisy ireo jiolahy miisa dimy, malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana. Lavon’ny balan’ny polisy tany oamasina, afakomaly alina, ireo jiolahy miisa dimy. Malaza amin’ny fanafihana mitam-piadiana sy fampiasana zava-maranitra (an­tsy) any an-tampon-tanàn’i Toamasina izy ireo. Nifanen­jehana tao […]

Fanohanana ny fanabeazana : Hisitraka fitaovana i Vakinankaratra

Anisan’ny nanao valandresaka tamin’ny mpanao gazety, omaly, tao amin’ny faritra Vakinankaratra ny avy amin’ny fitaleavam-paritry ny Fanabeazana any an-toerana. Voaresaka tamin’izany ny efa nanomezana fitaovana ireo sekoly eo anivon’ny Dren Vakinankaratra sy ny hanohizana izany hatrany. Notateriny koa ny fanomanana ny fanadinam-panjakana, ny fandoavana ny “Subvention” sy ny kamaran’ireo mpitsara […]

Fiangonana Katolika: Léon XIV no Papa Ray Masina vaovao

Nisafidy ny anarana Léon XIV i Robert Francis Prevost, Ray Masina voafidy omaly, handimby ny papa François. 69 taona izy, teratany amerikanina voalohany hitantanana ny fiangonana katolika maneran-tany. «Habemus Papam». Tsy niandry ela fa omaly tamin’ny 6 ora hariva, tany Vatican Ro­me, nivoaka ny setroka fotsy tao amin’ny Chapelle Sixtine. Manambara […]