Taratra

Meso Capital Madagascar : Hanamora ny famatsiam-bola ny orinasa madinika

Tosika ho an’ny fahazoana famatsiam-bola an’ireo orinasa madinika (TPE) ny Tahiry Meso Capital Madagascar. Rafitra napetraky ny Fivondronan’ny mpandraharaha malagasy (Fivmpama) hanohanana sy hampihodinana ary hampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara. Fepetra takina ao anatin’ny rafitra ny fanarahan-dalàn’ny orinasa iray mba hahafahany misitraka famatsiam-bola avy amin’ireo banky. « Hanampy amin’ ny fa­natanterahana […]

TSELATRA

Notanana vonjimaika am-ponja, afakomaly, ilay ramatoa nahatrarana rongony 75 gony, nilanja 1252 kg, tao amin’ny kaominina Analamary, distrikan’i Betroka. Vadin’ny sefon’ireo ekipa nitatitra ny entana io ramatoa io. Lavon’ny zandary i Grégoire, ilay dahalo raindahiny amin’ny vaky trano sy fandrobana tao amin’ny kaominina Ankadinondry, ny 5 mey teo, tamin’ny 11 […]

Herinandro nifampitadiavana: Tambajotra mpangalatra taribin-jiro tratra

Enin-dahy mpangalatra ta­ribin-jiro an’ny orinasa Jirama voasambotry ny zandary ao amin’ny Vondron-tobim-pileovana Atsinanana, ny talata 6 mey teo. Nitrangana halatra tariby teny amin’ny lalam-pirenena faharoa, PK 322, tamin’ny 25 avrily lasa teo. Nalain’ny olon-dratsy avokoa ny taribin-jiro miasa amin’ny fokontany Antanambiriky, Antananambo, hatrany Melville. Nahatratra 1 020 metatra ny refin’ny tariby […]

Mpangalatra tany tetsy Ambodivona: Olona enina naiditra eny Antanimora

Niakatra fampanoavana ny 5 sy 6 mey, tetsy anivon’ny Pac 67ha, ireo olona 31 voarohirohy tamin’ilay raharaha fivarotana tanin’olona iray tetsy Ambodivona. Nalefa vonjimaika eny amin’ny fonjaben’Antanimora ny enina tamin’izy ireo. Nahitana lehilahy efatra sy vehivavy roa. Eo ambany fanaraha-mason’ny Pac kosa ny olona valo mianadahy hafa, mandra-piandry ny fitsarana […]

Saika hanondrana volamena : Teratany Sri-lankais naiditra am-ponja eny Tsiafahy

Nampidirina am-ponja eny Tsiafahy ilay teratany Sri-lankais, saika hanondrana volamena tany Dubaï, tratra ny sabotsy teo. Nilanja efatra kilao ny entana sarobidy teny aminy. Niakatra fampanoavana, omaly, tetsy anivon’ny Pôle anti-corruption (Pac) 67ha ilay teratany Sri-lankais. Voarohirohy nikasa hanondrana antsokosoko volamena milanja 3,885kg ho any Dubaï, ny 03 mey lasa […]