Anisan’ny olana iray mbola sedrain’ny vahoaka malagasy ny tsy fahafahany miala voly. Tena ilaina amin’ny fiainana anefa izany. Matetika olana ny hoenti-manana. Betsaka anefa ny toerana azo hitsangantsanganana, sady tsara no mora. Fomba amam-panao tsy mahazatra ny Malagasy ny manokana fotoana hialana voly. Mionona amin’ny andro fety vao mba manao […]
Taratra
VAOVAO TAMBATRA
Tafakatra 3 000Ar ny kilaon’ny ovy eny amin’ ny tsenan’Andravoahangy raha novidiana 2 000 Ar teo aloha. Mananosarotra ihany koa ny fahitana ny vokatra amin’izao fotoana. Nilaza ireo mpivarotra fa vanim-potoana tsy fisian’ny ovy amin’izao, eo ihany koa ny rotsakorana tampoka any amin’ireo faritra mpamokatra izany ka mahatonga ny fiakaram-bidy […]
Fiatrehana ny loza voajanahary : Tafapetraka ny tetikasa IRFF
Hanamafy ny fahaiza-manaon’ireo mpisehatra amin’ny fiantohana sy ara-bola, hitondra vahaolana ara-bola sy vokatra fiantohana mifanaraka amin’ny zava-misy eto an-toerana. Ireo ny tanjon’ny tetikasa fiarovana sy faharetana manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro (IRFF). Tetikasa iarahan’ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanam-bola (MEF) sy ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana (Pnud). « Hanamafy ny […]
Toliara : Vita ny 80% ny vahilava Kiembe
Tetikasa goavana atao any Toliara ny fananganana vahilava mirefy 5 km any Kiembe. Amin’ny ankapobeny, vita hatrany amin’ny 80% ny asa. Manaraka ny vinavina sy ny fandaharam-potoana napetraka ny fandrosoan’ny asa ataon’ny orinasa China State Construction Oversas Developpement (CSCOD). Famatsiam-bola avy amin’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasam-bola (BEI). Mizara roa […]
Tetikasam-pampandrosoana : Miara-dalana amin’i Madagasi- kara ny Firenena mikambana
Mifanohana ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina amin’ny fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana goavana eto Madagasikara. Mifanampy ny roa tonta ho an’ny tombontsoam-pirenena sy ny fampandrosoana maharitra. Mivalampatra ao anatin’izany ny fampandrosoana ny toekarena ho an’ny fampivoarana ny fiarahamonina, toy ny tetikasa Volobe sy Sahofika. Nohazavain’ny minisitry ny Toekarena sy ny […]




