Taratra

Fivoriana ara-potoana faharoa : Volavolan-dalàna 12 nolaniana teny Anosikely

Notanterahina, omaly, teny amin’ny Lapan’ny Antenimie­randoholona Anosikely, ny lanonam-pamaranana ny fivoriana ara-potoana faharoan’ity andrimpanjakana ity. Olom-panjakana maro samihafa no tonga niatrika izany. Anisan’ izany ny avy eo anivon’ny go­vernemanta, ny avy amin’ny HCC, ny HCDDED ary ny avy amin’ny Antenimierampire­nena. Ankoatra ny famintinana ireo zava-bita nandritra izay 60 andro nanatanterahana […]

Federasionin’ny Taekwondo : Tsy nahazo fanasana tamin’ny fiofanana

Hifarana anio ny seminera momba ny fitsaboana ara-pana­tanjahantena sy ny “dopage”, eto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay natao nanomboka ny alatsinainy lasa teo, tetsy Mahamasina. Nahazo fanasana avokoa ireo taranja ara-panatanjahantena maro, ankoatra ny Taekwondo WT. Rehefa natao ny fanadihadiana, nilaza ny eo anivon’ny Komity olympika malagasy (Com), fa […]

Fifidianana ben’ny Tanàna Antananarivo: Mitarika ny kandidà Harilala Ramanantsoa

Mivoaka tsikelikely ny vokatra avy amin’ny Ceni. Ho an’ny eto an-dRenivohitra, mitarika vonjimaika ny kandidà Harilala Ramanantsoa. Mitarika vonjimaika ny kandidà Harilala Rama­nantsoa, ho an’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina eto Antana­narivo Renivohitra. Manana salanisa 48,01% izy, araka ny fironam-bokatra navoakan’ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni), omaly hariva. […]

Oniversiten’Ankatso : Mpianatra 240 navoaka tamin’ ny fomba ofisialy

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy sy notolorana ny mari-pahaizana « Master2 » teny anivon’ny fakiolten’ny Siansa, Oniversiten’Ankatso afakomaly ireo mpianatra. Manodidina ny 240 teo ho eo izy ireo, izay nanaraka ny lalam-piofanana Physique-Chimie, Science naturelle ary Mathématiques. Fanamby goavana ataon’izy ireo ny fanomanana ny «doctorat ». « Mbola voalohany ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy tahaka […]

Vih/Sida: Tsy ampy ny fitaovana hisorohana ny fiparitahan’ny aretina

Nisy ny atrikasa nataon’ny fikambanana Sycavi, omaly, tetsy Antanimena. Nentina nanolorana ny vokatry fanadihadiana nataony mahakasika ny Vih/Sida. Tanjona ny hahafahana mitondra ny hetahetan’ny olona eny ifotony. Tsy ampy ny fisitrihan’ny olona ireo fitaovana natao hiarovana sy tsy hiparitahan’ny tsimokaretina Vih/Sida eto amin’ny Nosy. « Tafiditra ao anatin’izany, ny fimailo, ny […]