Tsy mety foana ny tranga vaky fasana ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo. Fasana iray niharan’ny asa ratsy nataon’ny jiolahy tao amin’ny fokontany Mananosy Ambohimanoa, kaominina Mahitsy, ny alin’ny alarobia 12 aogositra lasa teo. Varavaram-pasana efa nitongilana no hitan’ny mpandalo iray. Nampandre avy hatrany ny tomponandraikitry ny fokontany sy ny tompom-pasana izy. Niroso […]
Taratra
Antehiroka : Lehilahy niharan’ny fitsaram-bahoaka
Naratra mafy, vaky ra ny loha sy ny tavan’ny lehilahy iray saron’ny fokonolona nanao asa ratsy teny Ambatolampy Antehiroka, afakomaly. Nivezivezy tao amin’ny toerana natokana hijanonan’ny fiara ilay lehilahy. Nanararaotra nisokitra fiara teny an-toerana izy kanjo tsikaritry ny mponina manodidina io fihetsiny io. Nikasa hangalatra tao anatin’ny fiara izy, raha […]
Antanetibe-Faratsiho : Maty novonoin-dreniny i Lucas kely, zaza iray volana
Tompon’antoka tamin’ny fahafatesan’i Lucas kely ny reniny niteraka azy sy ny mpimasy iray tao Antanetibe, distrikan’i Faratsiho. Notanana am-ponja ireo olona telo voasaringotra, afakomaly. Natsikafin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana fa ny renin’i Lucas kely ihany no namono nahafaty azy tao Ambatomitety, fokontany Antanetibe, distrikan’i Faratsiho, ny 31 jolay lasa teo. […]
Handball – Mada «sénior 2026»: Nisy fiovana ny datin’ny fifaninanana
Raha efa voalahatra ho amin’ny faha-29 aogositra ho avy izao, ny hanatanterahana ny fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy zokiny “senior”, lahy sy vavy, eo amin’ny taranja handball, dia nisy fiovana izany. Araka ny fampitam-baovao navoakan’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), tao amin’ny pejin’ny tambajotran-tseraserany, ny talata lasa teo, nahemotra ho amin’ny 31 […]
SOMBIM-BAOVAO
Misongadina any France amin’izao fotoana izao, Rakotoarivelo Julio Traille Noé, Malagasy mpilalao rugby. Ao amin’ny klioba Pertuis izy no milalao ary mitana ny toeran’ny “trois quart centre”. Zanak’i Mboazafy Rakotoarivelo (Razily), mpanazatra ny Cosfa sy ny Makis de Madagascar, ny tovolahy. Efa miditra amin’ny lalao miverina ankehitriny ny fiadiana ny […]





