Taratra

Beach-volley U18 : Nanjakan’i La Réunion sy i Comores

Nifarana ny talata lasa teo, teny Soa tanàna Ambohimanga ny fiadiana ny ho tompondakan’ny firenena “Championnat des nations”, taranja beach volley na ny volley-ball lalaovina ambony fasika. Fifaninanana ho an’ny sokajy U18 aty amin’ny faritra faha-7. Fihaonana nokarakarain’ny kaonfederasionina afrikanina (CAVB) sy ny Federasionina malagasin’ny volley-ball (FMVB). Nanjakan’ny ekipa vahiny […]

Judo – Tournoi du Capricorne : Hahatratra 300 ireo judokas hiady ny lohany

Ho ambohipihaonan’ny mpitia ny taranja judo indray ny renivohitr’i Toliara, manomboka rahampitso. Hotanterahina mandritra ny hateloana any an-toerana mantsy ny andiany faha-30 amin’ny “Tournoi du Capricorne”. Judokas 300 isa no hiady ny lohany, amin’izany. Hanomboka, rahampitso 14 ka hatramin’ny alahady 16 aogositra ho avy izao, ny andiany faha-30 amin’ny fiadiana […]

Fiaraha-miasa: Liana amin’ny fizahantany i Arabia Saodita

Nanolotra ny dika mitovy amin’ny fanendrena azy ho ma­soivohon’ny fanjakan’i Arabie Saoudite, na tsy monina eto Madagasikara azy, i Ahmad Mohamad Alwohaib. Nandray izany tetsy amin’ny minisiteran’ ny Raharaham-bahiny, Anosy, ny minisitra mpisolo toerana, Rakotonandrasana Hanitra Velonjara Tiaray. Fihaonana nahafahan’i Ma­dagasikara nanamafy indray ny fifandraisan’ny firenena roa tonta. Mifototra amin’ny […]

Nanolotra vary 5 000 t ny Indianina : Olona 2 tapitrisa mahery miaina krizy ara-tsakafo

Nanolotra vary milanja 5000 taonina ny vahoaka sy ny governemanta indianina ho tohana ho an’ireo Malagasy traboina vokatry ny rivodoza sy ny haintany miseho eto Madagasikara. Man­ka­laza ny faha-80 taonan’ny fahaleovantenany i Inde ka anisan’ny manamarika izany ny fanampiana ny mpiara-belo­na. Naheno ny antso nataon’ny fanjakana malagasy rahateo izy ireo […]

Sekolin’ny Etamazaoro : Manamboninahitra nahavita fiofanana

Notontosaina ny zoma lasa teo, tao amin’ny Cercle Mess Soanierana, ny lanonana famoahana tamin’ny fomba ofisialy ireo mpiofana nahavita fiofanana tao amin’ny sekolin’ny Etamazaoron’ireo Tafika (EEM). Nahitana manamboninahitra ambony miisa 15 izany andiany faha-32 izany. Nisy koa ireo mpiofana avy ao amin’ny ivontoerana fanitaram-pahaizana ho an’ny manamboninahitra, nahitana ny andiany […]