Taorian’ny fivoriana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) dia manao ranolava ny fiaraha-miasa amin’ny firenena vahiny. Tsy amin’ny raharahan’ny samy fanjakana, indrindra ny amin’ny tsy miankina. Mahavelom-bolo ny fifanomezan-tanana amin’ny fikambanana, na vondron’olon-tsotra. Misy ny fiarahana mirona amin’ny lafiny sosialy sy ny toe-karena. Anisan’ny teboka tsy azo tsinontsinoavina amin’ny fametrahana […]
Taratra
Fihaonana an-tampony manaraka : Maka bahana ny fanjakana handray ny fivorian’ny Sadc
Efa eto amintsika amin’izao fotoana izao ireo iraky ny eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny anton-dian’izy ireo ny hijery ny fanomanan’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ity vondrona ara-toekarena ity. Mitarika ny delegasionina tonga eto Madagasikara ny sekretaria eo anivon’ny Sadc, ny tale misahana ny fitantanan-draharaha sy ny mpiasa, tarihin-dRadaody Ralarosy Bodo Tantely. Anton-dian’izy […]
TSELATRA
Tanterahina androany ny fandevenana ny nofo mangatsiakan-dRavao Marie Tricha, zanaky ny mpanakanto Fandrama. Hiala ny tranony etsy 67 Ha ny razana, anio amin’ny 12 ora sasany atoandro. Hoentina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ao amin’ny Ekar Maria Manjaka. Marihina fa novonoina sy naholan’ny olon-dratsy tao an-tranony ity tovovavy ity. Lehilahy iray 48 taona […]
Fikasana hamono olona: Natsipiny avy eny an-davarangana ny reniny
Renim-pianakaviana torana tsy nahatsiaro tena niharan’ny vono nataon’ny zanany lahy tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Anjeva Gara, ny marain’ny alatsinainy 28 avrily teo. Nifamaly tamin’ny vadiny ilay lehilahy zanak’io ramatoa io, talohan’ny tranga. Nanaovan-dralehilahy teny mahery ny ramatoa vadiny. Tsy nahazaka izany anefa ilay renin’io lehilahy io amin’ny maha fon-dreny […]
Distrikan’Atsimondrano : Rava ny tambajotra mpangalatra kisoa
Efa-dahy niampy ramatoa iray voasambotry ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Andoharanofotsy, ny marainan’ny alatsinainy 28 avrily teo. Nitrangana halatra kisoa tao amin’ny fokontany Ambohidavenona, kaominina Ambalavao distrikan’Atsimondrano. Nolavahan’ireo olon-dratsy ny rindrina misy ny kisoa, nopoizinin’izy ireo avokoa ireo biby. Notanteriny tamin’ny gony torian’izany. Nahatsikaritra olona telo lahy niloloa gony nampiahiahy […]




