Taratra

Atsimo Andrefana: Hampiroborobo ny fizahantany ny orinasa Base

Nanome ny jery todika mahakasika ny tontolon’ny fizahantany, ny filohan’ny Fi­lankevi-pitantanana ny (PCA) ny Ofisim-paritry ny Fizahan­tany Toliara (ORTU), Ranaivo­son Odilon. Nambarany, fa « olana ny halaviran-toerana. Tsy misy intsony ny zotra ana habakabaka iraisam-pirenena aty Toliara, nanomboka ny 31 marsa 2024. Mihapotika ny lalam-pirenena RN7 ». Miezaka mafy hanarenana ireo ny […]

Fadintseranana: Teknisianina IA roa avy amin’ny FMI

Nihaona tamin’ny tale jeneraly ny Fadin-tseranana –DGD malagasy, Lainkana Zafivanona, sy ny ekipa teknika miara-miasa aminy, ny manampahaizana roa amin’ny Faharanitan-tsaina artifisialy (IA) avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI), Victor Budau sy François Chastel. Manohana sady mam­piofana ny teknisianina malagasy ao amin’ny ladoany mala­gasy izy ireo, nanomboka ny 24 avrily hatramin’ny […]

distrikan’Atsimondrano: Miisa 240 ny akotry amin’ny salohim-bary safiotra

Nihaona tamin’ny tantsaha eny Atsimondrano, omaly, ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Fahavitan-tena ara-tsakafo (SESA), Razanamahefa Tahian’Ny Avo. Hita fa mahomby ny fanirin’ny vary safiotra. Nanomboka tamin’ny de­sambra 2024 ny fifaninanana mamboly vary safiotra « Andao Ham­boly ». Nahomby ny fanirin’ny vary safiotra eny amin’ny distrika Atsimondrano. Namba­ran’ny tantsaha mpamboly iray eny amin’ny kaominina […]

Sehatra iombonana ho an’ny famokarana: Hitondra tombontsoa sy hampandroso ny toekarena

Vaindohan-draharaham-panjakana ny fampandrosoana ny famokarana sy ny toekarena aty amin’ny ranomasimbe Indianina ao ana­tin’ny tetikasa « Valabe ». Ilaina ny fiaraha-mientan’ny tsirairay ho an’ny tombontsoa iraisana hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Vahaolana hanamorana ny fampiasam-bola aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ny tetikasa « Valabe » na ny sehatra iombonana ho an’ny famokarana […]

TARATRY ny KANTO

Hihazo an’i Inde ny Miss Madagascar 2024. Natolotry ny masoivohin’i Inde miasa sy monina eto an-toerana an’i Cyria Teamangombe omaly, ny “visa” hoentiny misolo tena an’i Madagasikara amin’ny famaranana ny “Miss Monde”. Hatao any Telangana any Inde izy ity, ny 7 hatramin’ny 31 mey izao. Hantenaina hitondra vokatra tsara ny […]