Niara-nilalao daomy tany Tsararivotra, distrikan’i Mampikony, ny lehilahy miisa telo ny 26 avrily 2025 lasa teo. Nisy ny tsy fifankahazoana teo amin’izy ireo nandritra ny lalao ka namoaka antsy ny lehilahy iray tamin’izy ireo. Notsindrominy tamin’izany avy hatrany ireo mpiara-milalao roa hafa. Vokany, naratra teo amin’ny tanany ireo lasibatra. “Tsy […]
Taratra
Tafaporitsaka ny tompony : Rongony 60 kg saron’ny zandary
Tratra ny rongony nafatratra tao anatin’ny gony miisa sivy tao amin’ny fokontany Ambohitsara, kaominina Matsondakana, distrikan’i Befandriana Avaratra, ny sabotsy 26 avrily teo. Nentina andian’olona io entana io, ny hariva tamin’ny 7 ora. Nosavain’ny zandary avy hatrany ireo mpitatitra entana nampiahiahy ireo. Natsipin’izy ireo anefa ny gony ary nirifatra nandositra […]
Namaky biraon’ny kaominina: Roa lahy nandroba 1 tapitrisa Ar naiditra am-ponja
Niakatra fampanoavana, ny sabotsy 26 avrily teo, notanana vonjimaika any am-ponja ireo roa lahy namaky ny biraon’ny kaominina Ambatolaona. Novakian’izy ireo ny fitehirizam-bola ka lasa ny 1 tapitrisa Ar. Roa lahy nohazonina vonjimaika any am-ponja, ny sabotsy 26 avrily teo, miandry ny fotoam-pitsarana azy. Nandray anjara mivantana tamin’ny famakiana ny […]
FANTINA sy FINTINA
Naneho fiaraha-miory amin’ny Ekar ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc. Anisan’ireo tonga nitsapa alahelo teny amin’ny Nonce Apostolika sy nanoratra tao aminy boky volamena ny tenany noho ny fahalasanan’ny papa François. Notanterahina teny Ivandry, ny alakamisy teo, izany fanehoana ny fiombonam-po amin’ny mpino katolika izany. Naneho fiombonam-po sy fankaherezana ny […]
Otrikafo Rabevahiny Elia: “Tsy ekena ny fiaraha-mitantana ireo Nosy”
“Tsy ekena ny fiaraha-mitantana ireo Nosy malagasy”, hoy ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny antoko Otrikafo, Rabevahiny Elia, teny Andravoahangy Ambony, ny faran’ny herinandro teo, ny amin’ny fanambaran’ny filoha Frantsay fa ny fiaraha-mitantana no hodinihina. Fanekena faharesena sahady manoloana ny adihevitra ny fiaraha-mitantana. An’ny Malagasy ireo Nosy ireo eo amin’ny lafiny […]




