Nirehitra ny sabotsy tamin’ny 12 ora alina teo, ny Bazary kely Toamasina. Niredareda ny afo, nifampitaona namono izany ny fokonolona sy ny vondrona mpamonjy voina. Niainga avy tao amin’ny tranoheva fivarotana vokatra malagasy “Art malagasy” ny afo, raha ny angom-baovao natao tany an-toerana. Efitra tsy misy herinaratra ary tsy nisy […]
Taratra
Tsy fahazoana vatsim-pianarana : Nidina an-dalambe ireo mpianatr’i Maninday
Nitokona sy nidina an-dalambe, omaly, ireo mpianatra eo anivon’ny Oniversiten’i Maninday Toliara. Nilanja sorabaventy sy nandoro kodiarana noho ny fahatapahan’ny jiro ao amin’ny Campus, efa nandritra ny 5 andro, izy ireo. Teo koa ny tsy fahazoana vatsim-pianarana sy fampitaovana efa ho enim-bolana. Tanjon’ireo mpianatra ny hanairana ireo tomponandraikitra manoloana ny […]
Vokatry ny lozam-pifamoivoizana: Iray maty, 135 tonga nanatona hopitaly nandritra ny fetin’ny Paka
Raha ny tatitra vonjimaika voaray teo anivon’ny hopitaly HJRA omaly, olona iray no maty nandritra ny fetin’ny Paka. Nahatratra 135 kosa ireo nanatona hopitaly. Vokatry ny lozam-pifamoivoizana ny ankamaroan’izany. Olona iray no fantatra fa maty nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Paka, ny alahady sy ny alatsinainy lasa teo, raha ny […]
Volana mey : Hizara traikefa marolafy i Fidimalala
… Tsy ela fa vao andro vitsy. Nanamarika ny faha-97 taonany i Fidimalala. Mpanakanto anisan’ny zokiny indrindra eto Madagasikara sy any ivelany. Hizara ny traikefa maro ananany izy. Hiavaka tanteraka ny hetsika Sehatra Bagasy amin’io volana mey io. Ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola no hitondrana sy hizaran’i Fidimalala […]
TARATRY ny KANTO
Feno 20 taona ny lanonam-panokafana ny fitokanana ny sampana Havatsa-Upem Frantsa. Homarihina amina hetsika lehibe io vanim-potoana io, ny 26 avrily izao, ao amin’ny Espace André-Magné, 18 bis, rue du 14 juillet 94 270 Le Kremlin-Bicétre. Hisy ny «Antsan’i Frantsa» ravahina hira. Ny «Antsa nanavàtsa», faha-18 taona namafazan’i Hajaina ny […]




