Omena tombondahiny ny olona avy ao an-toerana amin’ny fandraisana ho mpiasan’ny tetikasa Base Toliara. Ampirisihina ny tanora hanaraka fiofanana. Ela niandrasana! Anisan’ ny tena nandrandrain’ny mponina any an-toerana, hatry ny ela, ny hampidirana azy ireo ho anisan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa Base Toliara. Koa, zava-dehibe tokoa ny fanazavana natao ny […]
Taratra
Nandritra ny taona 2024: 262 000 taonina ny vary nafaran’i Madagasikara
Mbola manafatra vary i Madagasikara hamenoana ny filana eto an-toerana. Ny taona 2024, manodidina ny 262 000 taonina ny vary nafarana sy naparitaka teny an-tsena, manerana ny Nosy. Nidina io tarehimarika io raha oharina ny tamin’ny taona 2023, tafakatra hatrany amin’ny 424 000 taonina (t), araka ny tarehimarika navoakan’ny fadintseranana. […]
FANTINA sy FINTINA
Nampahafantatra an’ireo mpiara-miombona antoka ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI), ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra, tamin’izany, fa manamarika ny dingana efa vita izany sady efa fandraisana andraikitra eo anivon’ny CSI manoloana ity ady ity. Miroso amin’ny fametrahana ny “digitalisation” ny eo anivon’ny Apipa […]
Andrianainarivelo Hajo: “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka”
Andrianainarivelo Hajo “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka” Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM), Andrianainarivelo Hajo. Anisan’izany ny momba ny fitantanana ny kaominina Antsiranana I. “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka. Tsy azo ekena velively ny hala-bato sy ny bodongerona atao amin’ny vahoakan’Antsiranana”, hoy izy. Nambarany fa […]
Sivano!
Mahoraka indray ny resaka fanovana governemanta amin’izao fotoana izao, andaniny. Misisitsisika moramora eny koa ny mpanohitra, ankilany. Samy tsy hita be ihany izay tena marina amin’ny fihodin’ilay tontolo politika eto amin’ny tanàna. Ny zava-misy aloha, miandry lava ny fahagagana ilay vahoaka madinika sy ny tsy manan-tsiny. Misy tokoa aloha […]