Ny tamin’ny alatsinainy monja, trangam-panafihana mitam-piadiana roa no niseho teto Toamasina sy ny manodidina ary samy nandratrana olona sy nahavoaroba fanan’olona tsy manan-tsiny avokoa. Efa sokajian’ny mpanara-baovao ho mirehitra mena ny mari-pamantarana momba ny tsy fandriampahalemana ao Toamasina. Mandry an-driran’antsy ny vahoaka. Tranga voalohany ny alatsinainy 27 avrily, ny tao […]
Taratra
Kolonely Randrianirina Michaël : “Hanomezana ny vahoaka ny zony ny fitsarana”
“Fahefana iray lehibe eto amin’ny firenena ny fitsarana. Ao anatin’ny fahefana feno izay misy izany. Matoa nosarahina fa tsy natambatra ny fahefana, mba hanomezana ny vahoaka malagasy ny zo izay tokony hananan’ny tsirairay avy”. Izay ny kabarin’ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fitokanana ny lapan’ny fitsarana ambaratonga voalohany […]
INDRAY MIJERY
Namangy ny Dren Atsinanana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rajaonarison Sendra Nirina, omaly. Nanohana sy nanara-maso ny fanarenana ireo fotodrafitrasa an-tsekoly rava taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani ny tenany. Sekoly maromaro ao amin’ny Cisco Toamasina I sy II no voatsidika tamin’izany. Sekoly efatra ao amin’ny Cisco Antsirabe I sy II no nisitraka […]
Vary safiotra – fiofanana tany Chine: Natolotra teny Ankatso ny vokatra
Natolotra tamin’ity herinandro ity, teny amin’ny oniversiten’Antananarivo, ny vokatry ny fiofanana narahin’ ny mpampianatra sy mpianatra telo avy amin’ny fakiolten’ny Siansa tany Chine, momba ny vary safiotra. Nisongadina fa azo hampiharina eto Madagasikara ny famokarana vary safiotra ka ny vary ampiasaina isan’andro no ampivadiana amin’ny karazam-bary hafa, arakaraka ny vokatra […]
Fanatsarana ny fanabeazana : Tanterahina ny fakan-kevitra
Natao tamin’ity herinandro, eto Antananarivo, ity ny atrikasa fakan-kevitra ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara. Tanjona ny hanangona sy handravona fehin-kevitra ho fanatsarana ny rafi-pampianarana, hisian’ny fanavaozana eo amin’ity sehatra ity. Mandray anjara amin’izany ireo mpisehatra amin’ny fanabeazana, miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ireo fiarahamonim-pirenena, ireo fikambanana samihafa, […]




