Taratra

Andranovelona-Ilafy : Zaza amam-bolana nisy nanary

Zazavavy iray hitan’ny olon-tsotra nipetraka teo amin’ny tohan-drano Andriambato anelanelan’Andranovelona sy Antsapandrano, omaly maraina. Mpandalo handeha hiasa vao maraina no nahatazana ilay zaza. Tsy nisy olon-kafa ankoatra azy teo amin’ny toerana. Niantso tomponandraikitra sy nampandre fokonolona avy hatrany ny nanatri-maso. Natolotra ny polisy miasa eo anivon’ny kaomisaria Sabotsy Namahena taorian’izay. […]

Soamanandrariny : Fikambanan-jiolahy mpangalatra moto ravan’ny zandary

Telo lahy mpangalatra moto, iray hafa mpividy ary mpanafina saron’ny zandary Soamanandrariny, afakomaly. Tambajotra iray efa nampikolay ry zalahy ireto. Vehivavy iray sy lehilahy efatra mpiray tsikombakomba amin’ny halatra moto tra-tehaky ny zandary miasa ao amin’ny tobi-paritra Soamanandrariny, afakomaly. Nandritra ny fisafoana ny alin’ ny 9 aogositra nataon’ny mpitandro filaminana, […]

INDRAY MIJERY

Olona 52 no nisitraka fandidiana molotra sy lanilany maimaimpoana tao amin’ny HJRA tamin’ity herinandro ity. Fiaraha-miasan’ny hopitaly tamin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo sy ny mpiara-miombon’antoka no nahafahana nanao ny hetsika. Mampiova ny fiainan’ny olona ary mitondra fanantenana vaovao ho azy ireo ny fahavitan’ny fandidiana. Tombanana ho mafy ny fitsokan’ny rivotra eo anelanelan’i […]

Tetikasa MYSET : Tanora 120 000 isa hofanina arakasa

Maika ny asa fanavaozana ny fampianarana teknika. Omaly, nisy ny fihaonana teo amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa (METFP) sy ny Fonds Malgache de Formation Professionnelle (FMFP). Nifantoka tamin’ny tetikasa Myset ny dinika. Izany dia mikendry fanofanana tanora miisa 120 000 ao anatin’ny dimy taona, amin’ny sehatrasa 50 […]